Amin’izao ankatoky ny faran’ny taona sy amin’ny fiandrandrana ny fetin’ny Asaramanitra izao dia mihazakazaka ny toe-draharaha momba ireo fanakianana maro be momba ny Filoham-pirenena sy ny fianakaviany.
Miha mahantra ny Malagasy, misy ny tsy misakafo afa-tsy indray mandeha isan’andro kanefa toa misy vola be ana miliara ariary mivoaka an-tsokosoko eto ary manampahefana ambony no mitondra azy, mitohy koa ny trafika isan-karazany olona manan-katao sy mpanambola ary manampahefana foana no voatonontonoana amin’ireny afera maizina ireny.
Mpanolotsaina mampijabaka ?
Vehivavy tandapa mpanolotsain’ny Filoham-pirenena, Rtoa Nicole Andrianarison izay tena olona akaiky ny vadin’ny Filoham-pirenena ihany koa no arahin’ny polisy frantsay maso akaiky ankehitriny noho ny volabe mitentina 3 tapitrisa euros, izany hoe 10 422 000 000 Ar eo ho eo raha heverina fa 3474 Ar ny euro iray, tratra teny aminy tany Frantsa. Mipetraka avy hatrany ny fanontaniana teo amin’ireo polisy frantsay nanao hoe avy taiza ireo vola be ireo ary hanaovana inona ? Nisy ny vaovao tonga teo amin’ireo polisy vahiny ireo nanamafy fa vidina boaderôzy ireo fa ity ramatoa ity no nirahana naka izany tany ivelany tany. Misy loharanom-baovao hafa indray milaza fa avy aty Madagasikara ilay vola. Dia hataon’ity ramatoa ity inona ? Ary volam-panjakana ve izany ireo ? Inona fotsiny no ataon’ny mpiasan’ny fadintseranana tsy mahita izany ? Efa mahalala ity raharaha ity ihany koa moa ireo masoivohon’ny firenena vahiny rehetra mpamatsy vola eto Madagasikara ka andrasana ny ho fihetsik’izy ireo. Ity ramatoa voalaza ity dia tsy vao izao no re laza amin’ny fahaiza-manaony fa rehefa misy raharaha lehibe mahakasika ny tombontsoan’ny olona akaiky ny Filoham-pirenena tafiditra ao amin’ny fitsarana dia izy no miditra an-tsehatra ka mibaiko ny mpitsara. Hatrany amin’ny fiadidiana ny praiminisitra any dia fantatra fa idiran’ity ramatoa ity avokoa ny asam-panjakana tsy manandrify azy. Ary mety izay izany no mahatonga ilay fitsarana manokana momba ny andramena sy ny harena sarobidy hafa tsy mety voapetraky ny praiminisitra hatramin’izao. Ankoatr’izay dia mandoto sy manaratsy endrika an’i Hery Rajaonarimampianina ihany koa ity raharaha 3 tapitrisa euros ity. Ankoatra izay, mbola afera hafa iandrasana fanazavana avy aminy ilay resaka fitrandrahana vato sy fanaovana takalon’aina olona tany Anjozorobe ka maha voatonontonona olona voalaza fa rahalahiny. Manampy ireo rehetra ireo dia efa malaza ho lava tanana sy miditra lalina amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana Rtoa Voahangy Rajaonarimampianina ka maro ny olona efa tezitra amin’ny ataony. Ny zanaka lahin’ny filoham-pirenena ihany koa dia efa im-betsaka no voatonontonona amina afera tsy dia mazava tany amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina sy tany ivelan’i Madagasikara. Mbola resaka hafa ny tsindry bokotra sy fanaparam-pahefana ataon’ireo olon’ny HVM, ka mahatonga ny mpamatsy vola malaina hanampy antsika satria amin’izy ireo dia tahaka ny “mafia” mihitsy no mitazona ny fahefana eto ka noho izany tsy azo itokisana.
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.