Politique

Hery Rajaonarimampianina – Lalao Ravalomanana Nifanazava teny Iavoloha


  • Zoma 04 Desambra 2015

Nihaona teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha ny filohan’ny Repoblika Hery Rajaonarimampianina sy ny Ben’ny tanŕnan’Antananarivo Lalao Ravalomanana. Somary tampoka ihany ny fihaonana, omaly antoandro.

 


 

Aoka hazava

 

Tsy nisy fampitam-baovao ofisialy mitatitra ny votoatin’ny fihaonan’ny roa tonta saingy azo vinavinaina ihany fa niresaka mahakasika ny fampandrosoana ny ankapobeny izy ireo. Ho an’Antananarivo rahateo dia efa iaraha-mahita io ny zava-misy taorian’ny nandavan’ny Prefe ny rindrandamin’ny Kaominina, ka tsy ahafahan’ny Ben’ny tanàna miroso amin’ny fanendrena ireo mpiara-miasa akaiky aminy hanatanteraka ny asa araka ny vinam-piarahamonina nifanaovany dina sosialy tamin’ny fifidianana Ben’ny tanàna ny 31 jolay 2015. Somary mihisatra nanaraka izay koa ny asa, na dia manao izay ho afany amin’ny kely izay eo am-pelatanany aza ny Kaominina. Misongadina amin’ireny ny fanadiovana eny amin’ny kartie samihafa amin’ny tanàna ambany. Mety ho noresahana ihany koa ny olan’ny fanotofana tany eto an-drenivohitra izay somary mampifanitsaka andraikitra ny Fiadidiana ny tanàna sy ny minisiteram-panjakana misahana ny fanatanterahana ny fandaharan’asan’ny filoham-pirenena sy ny fanajariana ny tany. Toy izany koa ny amin’ireo siosion-dresaka mikasika ny mety hanesorana tsy ho eo ambany fitantanan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ireo tsena lehibe sy « parking » ary ny fanomezana « permis de construire » izay mba anisan’ny fidiram-bolan’ny Kaominina.

 

Naka sopapa ?

Etsy an-kilany, mitranga io fihaonana io ao ankatoky ny hihazoan’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina an’i Afrika Atsimo, hamonjy ny fihaonana eo amin’i Shina sy Afrika. Koa tombanana ho nisy ihany koa ny fifampiresahan’ny roa tonta ny mikasika ny ho tombontsoan’ny tanànan’Antananarivo amin’ny fiaraha-miasa amin-dry zareo Sinoa. Manao fitsidihana mandritra ny dimy andro aty Afrika rahateo ny filoha sinoa Xi Jinping, ka natombony tany Zimbaboe izany ary hofaranany atsy Afrika Atsimo amin’ity fihaonana an-tampon’i Shina sy Afrika ity. Ny Sinoa sy ny Afrikanina Tatsimo rahateo dia mpikambana mpamorona ny tahirimbola BRICS (Brezila-Rosia-India-Chine-Afrika Atsimo), izay hifaninana amin’ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI) sy ny Banky Iraisam-pirenena.

 Ankoatra izay dia olona nipetraka dimy taona mahery tany Afrika Atsimo moa Rtoa Lalao Ravalomanana, mahalala tsara ny zava-misy any sy ny fifandraisana amin’ny filoha am-perinasa any an-toerana, Jacob Zuma, ka mety ho naka sopapa tamin-dramatoa Ben’ny tanànan’Antananarivo ny filohan’ny Repoblika amin’izao diany any Afrika Atsimo izao.

Vokatr’ity fihaonana teny Iavoloha omaly antoandro ity, dia voatery nofoanana ka hahemotra ho amin’ity anio ity ny fandraisan’ny Ben’ny tanàna ny ambasadaoro indianina miasa sy monina eto Madagasikara.

 


Rabri

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT