Hery Rajaonarimampianina

« Hijoro hatramin’ny farany isika…»


  • Alatsinainy 04 Desambra 2023

Anjarantsika no mametraka lova tsara ho an'ny taranaka, mametraka Firenena vanona ho lovain'izy ireo.

Tsy hiray tsikombakomba amin'ny famotehana ny Tanindrazana, tsy ho mpiray antoka amin'ny fanimbana ny hoavin'ny Taranaka sy ny Firenena isika fa hijoro hatramin'ny farany, hiady sy hitolona, hanavotra sy hanarina ny Tanindrazana sy ny tanin-janaka », hoy ny Filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina omaly. Heverina avy hatrany fa ny raharaham-pirenena sy ny valim-pifidianana farany teo no anton’ny fanambarany. Ny alakamisy lasa teo rahateo, dia efa nanambara ny Firaisankinan’ny kandida izay misy azy, fa manohitra hatramin’ny farany iny fifidianana nosokajian’izy ireo ho natao amboletra sy feno hosoka ary efa nisy halatra voaomna ainy. Tao anatin’ny fanambarana izay nataon’izy ireo tamin’ny alalan’Atoa Hajo Andrianainarivelo dia naneho hoe : « izao vao tena manomboka ny tolom-bahoaka satria hiatrika tsy fanarahan-dalàna, hiady amin’ny kolikoly, ary hanala ilay olona nanambotry an’i Madagasikara ary nanimba ny firenena Malagasy nandritra izay 5 taona izay ary indrindra indrindra nampiseho ny tena endriny tamin’iny fifidianana iny fa tsy refesi-mandidy ary tsy mpanara-dalàna ka noho izany, ny mendrika izany dia ny fanaovana fifidianana tena izy tsy handraisan’ny olona tsy manana zom-pirenena Malagasy anjara, mba hiverenan’ny tena hasin’i Madagasikara satria izao vao tena mazava fa izay no nahatonga ity firenena ity satria misy vahiny mialokaloka ao an-damosiny tao, ka miteraka olona ho an’ny fiarahamonina, mitady tombotsoa manokana fa ny tombotsoa iombonana ». Nanentana sy nanome toromarika ny rehetra hanetsika ny rafitry ny tolom-bahoaka manomboka amin’ny fokontany, kaominina, faritra, firenena noho ny Firaisankinan’ny kandida ny 30 novambra teo. Ny andaniny dia efa nanao hazakazaka narahin-tosika tamin’ny alalan’ny didin’ny HCC, tsy te hahalala, manao didin’ny be sandry,… Asa hanao ahoana ny fandehan’ny fiainam-pirenena ? Hanao ahoana ny endriky ny fanoherana ?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT