Higadona tsy ho ela eto Madagasikara ny Filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina, araka ny vaovao niparitaka navoakan’ireo mpikambana sasany ao anatin’ny Antoko HVM omaly.
Ny 4 janoary 2022 teo no efa nanoratantsika teto amin’ny Tia Tanindrazana, araka ny loharanom-baovao azo tamin’izany, fa mety ny volana febroary amin’ity taona ity izy no hiverina eto. Tsara ny mampahatsiahy, fa nandao an’I Madagasikara ny tenany taorian’ny fifidianana 2018. Somary nangina, ka tamin’ny vanim-potoana somary lehibe hatrany vao niteny sy naneho hevitra momba ny raharaham-pirenena. Tsy sesin-tany politika, fa safidy manokana, ka anisany ny asa aman-draharaha toy ny maha mpampianatra amin’ny oniversite maro any ivelany azy, hoy ny fanazavana matetika nentin’ireo lohandohan’ny mpisorona ao amin’ny antokony. Raha ny lojikan’ny ho fahatongavany izay tsy mbola fantatra mazava ny daty sy ora tena hahatongavany fa hoe: ho avy tsy ho ela, dia tombanana avy hatrany fa ho kandida Filoham-pirenena. Izy rahateo no heverina fa kandida natoralin’ny HVM, ary efa nangatahin’ny mpikatroka ao anatin’io antoko io ny ho firotsahany. Voafaritry ny andininy faha-46 amin’ny lalàmpanorenana rahateo, fa ny kandida dia tsy maintsy mipetraka eto Madagasikara 6 volana faharafahakeliny mialohan’ny daty farany ahafaha-mametraka ny taratasy firotsahana. Samy miandry izay hahatongavany sy hihaino izay hambarany izany ny mpanara-baovao sy ny mpanara-dia azy hoe: inona no hambaran-dRajaonarimampianina?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.