Mandeha ny propagandy mivantana na an-kolaka ataon’ny HVM mba hahafahan’izy ireo mifikitra hatrany amin’ny fahefana. Ny eny ambanivohitra no tena hanaovana azy io satria satria hatry ny ela no efa tena leo sy tofoka ity fanjakana ity aloha ny vahoaka amin’ny faritra somary ambanivohitra.
Tsaroana tsara tamin’ny fifidianana ben’ny tanàna fa ny ankamaroan’ireo tanàn-dehibe teto Madagasikara, dia voatsipa-doha ny HVM, toy ny teto Antananarivo, Toamasina, Mahajanga, Antsiranana … Mahara-baovao kokoa ny mponina somary an-drenivohitra ka tsy hanaiky horebireben’ny HVM izany intsony amin’ny ankapobeny. Mahalala ny politika maloto sy ny tsy fahombiazana. Sesilany kosa ny sarintsarina propagandy isan-karazany, arahin’ny fandokafan-tenan’ny filoha, milaza azy ho mahavita zavatra eny ambanivohitra izay ezahina hararaotina amin’ny tsy dia fahazoany vaovao. Iaraha-mahita rahateo fa ny haino aman-jerim-panjakana izay ezahina atao fananan’antoko no mahenika an’i Madagasikara. Mandeha ny fakana ny fon’ny ben’ny tanàna sy ny sefom-pokontany any ambanivohitra mba hanaovana tohatra fiakarana azy ireny. Nandritra ny propagandy natao tany Betroka ny 17 martsa teo, ka nizarana T-shirt nisy ny sary famantarana ny HVM ary nibaribary ny soratra hoe “Fidio HVM”, ohatra, no nizaran’ny HVM bisikileta miisa 212 ho an'ireo sefom-pokontany any an-terana. Vao ny 22 martsa teo no nizara akanjo ho an’ny mpanao baolina kitra, moto iray avy ho an’ireo ben’ny tanàna 13 any amin’ny distrikan’Isandra. Alaina ny fon’ny tantsaha amin’ny fizarana masomboly, zezika, fitaovam-pambolena... Matetika no hireharehana fatratra fa avy amin’ny HVM hatrany ny fanampiana avy amin’ny sampandraharaha iraisam-pirenena na ny mitovitovy amin’izany.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.