Politique

Hery Rajaonarimampianina “Fadiranovana ny vahoaka, mahaiza mijery lavitra”


  • Alatsinainy 19 Jona 2023

Manomboka mipoitra bebe kokoa ny Filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina amin’izao ankatoky ny fifidianana izao. Niazo an’I Faratsiho ny sabotsy lasa teo,

ka nandalo tao Ambatolampy, Ambohimandroso,… Tsikaritra manomboka miseho sy mifangaro amin'ny vahoaka ary manamafy ny seraserany ny lehiben'ny HVM izay tombanana ho kandida amin'ny fifidianana ho avy eo, taorian’ny 8% azony tamin’ny fifidianana 2018."Fotoana fohy ihany no nijanonako teto Ambohimandroso, kanefa nahafahako nihaino sahady ireo marary sy ny hetahetan'ireo mponina. Mahereza, aza kivy ianareo eto Ambohimandroso”, hoy izy. Raha tsiahivina dia tany Ampefy no nisantaran’I Hery Rajaonarimampianina tamin’ny taona 2013, ary tanàna isan’ny nisitraka tetikasa lehibe tamin’ny fitondrany i Faratsiho izay mifanakaiky eo satria raha tsiahivina dia tamin’ny androny no nanangana hopitaly, nanaovana ny làlana RNS43 Faratsiho-Sambaina, Ambohibary-Ampetsapetsa,... Tany an-toerana no nilazan’I Hery Rajaonarimampianina, fa nanaja ny fifandimbiasam-pahefana izy, niala teto, saingy nanaraka tsy tapaka ny raharaham-pirenena sy ny zavatra iainan’ny vahoaka. “Tena mahitsy aho miteny fa latsaka lalina ny firenena, mahantra fadiranovana ny vahoaka. Izay nolalovana nilaza fa sahirana”, hoy hatrany io Filoha teo aloha io. Niantso ny olona hijery lavitra, fa tsy ho voavidin’ny hani-masaka sy vola kely tsy mankaiza I Hery Rajaonarimampianina. Misy, hoy izy, mizara vary sy sakafo hoanina, manome vola 5000Ar na 10 000Ar, androany ihany dia levona sy lany, ka aiza no hiafarana, aiza ny ampitso? “Aza fitahin’ny olona mijery ny androany sy rahampitso sy fitahiny amin’ny zavatra marevaka fa jereo ny hoavin’ny zanakao”, hoy I Hery Rajaonarimampianina. “Eto an-tanindrazana aho, tonga aho hitondra fananantenana vaovao. Tena mamporisika, mila mihazakazaka, mila mifampatoky satria izay ihany no antoka ahafahantsika mitondra ny fisandratana izay tadiavinareo, hitondra fihatsaram-piainana aty ambanivohitra sy manerana an’I Madagasikara. Fanamby hitiavana ny tanindrazana no atao ao anatin’izany fa tsy fifidianana fotsiny. Betsaka ny zavatra natao tao fa tsy notohizana”, hoy hatrany I Hery Rajaonarimampianina, izay toa manamafy fa vonona ny hametraka fanamby ara-politika ary manantena ny ho tafaverina eo amin’ny fitondrana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT