Nolavin’ny Fitsarana manokana momba ny fifidianana tamin’ny didim-pitsarana navoakany omaly ny fangatahan’Atoa Rakoto Rahasinina Andrianjo Razanamasy ny hanatsoahana an-daharana ny kandida Hery Rajaonarimampianina.
Nilaza ny CES fa tsy mitombina ny fitoriana sy ny fitarainana ary tsy hita ny tena fiatrainkan’izany azo tsapain-tanana tany amin’ny voka-pifidianana. Ny fampiasana fitaovam-panjakana sy fahefam-panjakana, ny fanaovana teritery amin’ny mpiasam-panjakana mba hanao propagandy ho azy na hiandany aminy, ny fizarana vola mba hividianana ny vaton’ny mpifidy no nifantohan’ny fitoriana napetraka, ka samy nambaran’ny CES fa tsy maharesy lahatra avokoa ny fanazavana ombam-porofo nentin’Atoa Rakoto Rahasinina Andrianjo Razanamasy. Tsy tena mbola tafavoaka ny ala anefa i Hery Rajaonarimampianina satria fantatra fa mbola misy fitarainana hafa ihany koa eny amin’ny CES mangataka ny hanilihana azy, taorian’ilay resaka an-gazety nataon’ny filohan’ny tetezamita ny faran’ny herinandro teo koa dia ho hita eo indray ny hambaran’Ambohidahy.
Nangonin’i RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.