Hery Rajaonarimampianina

> Potika noho ny fampiasana fitaovam-panjakana


  • Sabotsy 23 Novambra 2013

Nangidy rora ny kandida Hery Rajaonarimampianina nandritra ny lanonam-pitsarana omaly zoma 22 novambra, tetsy Ambohidahy, namoahan’ny Fitsarana manokana momba ny fifidianana (CES ) ny vokatra ofisialin’ny latsa-bato nataon’ny Malagasy an-tapirisany tamin’ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana voalohany natao ny 25 oktobra 2013.

Nifatratra taminy avokoa ny ankamaroan’ireo fitoriana voarain’ny CES, izay mitaky ny hanafoanana na ny voka-pifidianana na ny isam-bato azony noho ny fandikan-dalàna maro hita fototra nataon’ny mpanohana azy na izy ankolaka, toy ny fampiasana ny fitaovan’ny Televiziona Malagasy ho amin’ny fampielezan-kevitry ny kandidan’ny Hery Vaovao, ary fanerena ireo mpiasa sy mpanao gazetin’ny TVM hanatrika izany famoriam-bahoaka izany, ny fanerena mpiasam-panjakana tany Ambovombe Androy, ny fampiasana fiaram-panjakana tany Manakara sy Fenoarivo Atsinanana... Vokatr’ireo fitoriana samihafa dia nofoanan’ny CES ny vokatry ny latsa-bato tamin’ny biraom-pifidianana miisa 111 izay nisy vato 21.474. Foana ny isam-bato miisa 5.774 azon’ny kandida Hery Rajaonarimampianina teo anivon’ny Kaominina Ambodimanga Distrika Toamasina I, Kaominina Fenoarivo Atsinanana Distrikan’i Fenoarivo Atsinanana, Kaominina Mahambo Distrikan’i Fenoarivo Atsinanana, Kaominina sy Distrika Manakara ary Kaominina sy Distrika Ambovombe-Androy. Vokany nihena ho 15,85% amin’ny vato manankery no azony raha 15,93% tamin’ny vokatra vonjimaika navoakan’ny CENI-T tamin’ny 08 novambra 2013. Midika avokoa izany fa dia harahi-maso akaiky ireo solontenam-panjakana akaikin’ny olona toy ny lehiben’ny Faritra, lehiben’ny Distrika, lehiben’ny fampianarana, lehiben’ny fahasalamana manao tsindry sy teritery any amin’ny faritra samihafa any, ary ampirisihina mihitsy ny olom-pirenena hanao andrimaso ka hitory raha mahita fandikan-dalàna voaporofo.

JD

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT