Niala teto Madagasikara ny alin’ny alatsinainy 23 desambra niazo an’i Frantsa ny kandida Hery Rajaonarimampianina sy ny fianakaviany ary ireo mpiara-miasa akaiky aminy. Tany izy no nankalaza ny fetin’ny Krismasy. Araka ny heno dia hiala an-tanindrazana anio ihany koa ny filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina sy ny ankohonany. Tsy tena mbola voafaritra mazava ny toerana halehany, fa ny lojikan’izao fotsiny dia efa natao mialoha izany fa tsy hivantana ny kabary faran’ny taona hataony.
JD
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.