Hery Rajaonarimampianina

« Asa arahina ezaka no fototry ny fahombiazana »


  • Zoma 29 Desambra 2023

Anisan’ireo naneho ny heviny manoloana ireny asa « en ligne » lazaina fa mampitombo vola

ireny ny Filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina. Nambarany fa tato anatin'ny dimy taona farany, dia tena betsaka ireo malagasy no roboka tamin'irony lazaina fa fampiasam-bola haingana amin'ny « internet » irony, tsy mila miasa fa mipetraka ao an-trano dia mandray vola hoy ny sasany. Saingy ny mampalahelo dia very ao anatin'ireny ilay vola kely ananana nokasaina mba hampitomboina. « Antony goavana mahatonga ny malagasy liana sy roboka amin'izy ireny dia ny tsy fisian'ny asa sy ny fahambanian'ny mari-karama eto Madagasikara izay tsy ampy hivelomana ka zara aza misy mampanantena vola haingana. Ankoatra izay, nozarin'ny mpitondra tolorana foana ny vahoaka ka tsy te hisasatra intsony fa lasa miantehitra amin'ny zavatra mora azo sisa. Ampy izay ny fanambakana sy fanabadoana ny malagasy, ampy izay ny fanazarana ny malagasy amin'ity tolotra mora lava ity. Asa arahina ezaka izay no fototry ny fahombiazana sy fivoarana", hoy i Hery Rajaonarimampianina. Tsara ny mampahatsiahy, fa manam-pahaizana momba ny toekarena ity Filoha teo aloha ity.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT