Herivelona Ramanantsoa

« Mila mirindra ny fiaraha-miasan’ny kaominina sy ny Fanjakana Foibe»


  • Talata 01 Oktobra 2024

Anisan’ireo nilaza fa ho kandida ben’ny tanàna eto Antananarivo ny Minisitra teo aloha Atoa Herivelona Ramanantsoa Ramarcel.

Nambarany fa noho ny antony tsy miankina aminy dia tsy tratrany tao anatin’ilay tetiandro voafaritra ny famenona ireo antonta taratasy maro ilaina amin’ny fametrahana ny dosie. Izy izay any ivelany rahateo no tena mipetraka taorian’ny raharaha 2002. « Noho ny tranga niainako manokana (sesin-tany) dia betsaka ireo « documents » very na nisy nanafina angaha,… toy ny bokim-pianankaviana », hoy izy. Naneho fa ela sy be pitsony loatra ny dingana amin’ny antonta taratasy sasany. Naneho fa nampanao tsapan-kevitra na « sondage d’opinion » matihanina, ka nilaza fa 55% no namporisika sy vonona hanohana ny firotsahany, 30% no mihevitra fa tsy tsara ny andraisana anjara vokatry ny tranga nisy nandritry ny fifidianana nifanesy farany teo. « Betsaka ianareo ary misy fikambanana mpanara-maso no nandefa porofo milaza ireo tranga momba ny zava-misy tsy mety araka ny fahitanareo azy… Tsy fitoriana no ataoko fa ho fampahafantarana iany fotsiny ny Tompon’andraikitra ny fifidianana eto an-tanindrazana, hoy izy.10% kosa no nambarany fa nilaza fa tsy mazava na « mpanohitra » na « miandany amin’ny mpitondra » izy. « Amiko dia ny fanaovana « Contrat de Ville » no hamaritra ny andraikitra sahanin’ny roa tonta. Tsy maintsy mirindra ny fiaraha-miasa eo amin’ny Kaominina sy ny Fanjakàna Foibe ra tiana hahazo fahombiazana ny fanatsaràna ny tanàna », hoy izy. Nohazavainy, fa tafiditra ao anaty rantsa-mangaika ny fitantanana firenena ny kaominina, ka raha misy aza famatsiam-bola avy ivelany mivantana any amin’ny kaominina aza dia misy hatrany fanaraha-mason’ny governemanta amin’ny alàlan’ny Ministera Mpiahy ny Vondrom-bahoaka Itsinjaram-pahefahana sy ny Ministeran’ny Vola. Aminy, raha vao tsy voafaritra mazava ny fifanaraham-piaraha-miasa indrindra raha avy amin’ny Vondrona Politika tsy mitovy amin’ny eo amin’ny Fitondràna Foibe ny Mpitantana ny Kaominina dia fatiantoka lehibe no hitranga eto Antananarivo Renivohitra… Nilaza moa izy, fa misy Ray aman-dreny izay efa nitazona andraikitra ambony teto amin’ny Firenena nanoro hevitra azy tsy hirotsaka satria mety hamoha ny disadisa Politika raha tsy hiresaka afa tsy zavamisy tamin’ny 2002. Naneho anefa fa efa niomana sy vonona tamin’ny fandaharan’asa « Pour une Antananarivo métamorphosée » miaraka ny tetikady toy ny loharanom-bola entina miasa, ny fandaminana ny hetra, ny famatsiam-bola avy any ivelany,…
Toky R

 

 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT