Politique

Herivelona Ramanantsoa « Candidat naturel » an’ny AREMA ny filoha mpanorina azy


  • Alarobia 28 Martsa 2018

Tamin’ny alalan’ny resadresaka fohy nifanaovan’ny Tia Tanindrazana taminy no nilazan’Atoa Herivelona Ramanantsoa, minisitry ny fanajariana ny tany sy ny tanàn-dehibe tamin’ny Repoblika faharoa ary mpikambana ao amin’ny Comité Exécutif ny antoko Arema ankehitriny

 

, fa « Candidat naturel » an’ity antoko ity ny filoha mpanorina azy, ny Amiraly Didier Ratsiraka, saingy izy ihany araka ny efa nolazaina no afaka manambara izany amin’ny fomba ofisialy.

 

Tia Tanindrazana  (T.T) : Tena nisy tokoa ny  fotoana nanginanao elabe tsy niresahanao raharaham-pirenena tompoko, ny antony ?

Herivelona Ramanantsoa (H.R) : Hatramin’ny 05 jolay 2002 nialako teto Madagasikara ka nangatahana fialokalofana politika tany Frantsa dia tsy afaka naneho hevitra politika mihitsy izahay fa nanaja ny lalàna velon’ny firenena nialokalofana io. Teo koa ny nitojoana nanohy fianarana  tao amin’ny oniversiten’i Sorbone ka namitana ny 3è degré ny « Cycle d’admnistration des elections » sy ny tsy maintsy nitadiavana asa nameloman-tena tany amin’io firenena io ka nahafahana nanokatra lalam-baovao hihoarana indray eto amin’ny fiainana. Lasa « Administration de société » ao amin’ny orinasa  natsangako misahana ny « Promotion de developpement des produits de terroire » any amin’ny région aho ankehitriny taorian’ny niandraiketana sehatra fitaterana tany Frantsa ihany koa.

 

(T.T) : Mahafantatra sy mahay tsara ny resaka Lalàm-pifidianana ianao araka izany fianarana narahinao izany, inona no azo ambara mikasika mikasika an’io eto amintsika ankehitriny ?

(H.R) : Ny zavatra nohalaliniko moa dia ny “démocratie approximative” misy aty Afrika ka nahitana fa ohatra ny andrankandrana fotsiny io resaka demokrasia io afa-tsy tany amin’ny tany vitsivitsy toa an’i Sénégal, Rwanda, Ethiopie, Ghana … Nahatonga ny olana dia ilay krizy foana ateraky ny fifidianana na koa ilay lalàm-pifidianana mihitsy no mamboly an’ilay korontana na koa ilay kandidà mpifaninana mihitsy no tsy manana saina demokratika ka manohitra foana voka-pifidianana na koa ilay mpitondra fanjakana no mandiso an’ilay vokatra. Izay no hanarain’ny Arema  tsangan-kevitra novoizin’ny filoha Didier Ratsiraka dia ny hirosoana amin’ny fampihavanam-pirenena hahatongavana amin’ny hevitra iraisan’ny rehetra dia ny hananganana lalàm-pifidianana mifehy ny olana nitranga eto amintsika. Ny ahiana mantsy raha  maheno ny feo ny an-daniny sy an-kilany dia mety ho tena loza raha atao amboletra amin’izao endriny izao io lalàm-pifidianana io. Tsy eken’ny maro mantsy ohatra ny nanovana ny « verdict » ny election rehetra, ny hoe ahoana ny famahana ny fifanolanana mety hisy ? Eo koa ny resaka famatsiam-bola ny fampielezan-kevitra. Mpanara-maso efa manana traikefa ny fizotran’ny fifidianana tany ivelany tany ny tenako ary tompon’andraikitra natolotry ny Arema  hanapariaka ny vaton’ny kandidà tamin’ny fifidianana teto amintsika tamin’ny 2005 ka mahafantatra ny mahasarotra an’ilay fizarana ny biletà an’olon-drery any rehetra any.

 

(T.T) : Raha ny fijery anareo mpitarika ny Arema tamin’ny fankalazana ny faha-42 taona teny Mahamasina toa hita efa zokinjokiny avokoa ka azo antoka ve ny fandimbiasan-toerana ao amin’ity antoko ity ?

(H.R) : Efa nanambara ny antoko Arema fa handray anjara amin’ny fifidianana rehetra amin’ity 2018 ity ka singanina etoana ny maha kandidà natioraly ny Amiraly Didier Ratsiraka filoha mpanorina eo amin’ny fifidianana ho filoham-pirenena. Mampiavaka ny Arema ny fananany praograman’asa tonga dia azo hampiharina avy hatrany amin’ny olana misy eto amin’ny firenena ankehitriny dia ny famahana ny resaka tsy fandriampahalemana, ny fanenana ny fidangan’ny vidim-piainana sy ny fisorohana ny fahakivian’ny vahoaka noho ny “perte de morale” mianjady aminy. Tsy afaka miala amin’ny tsangan-kevitra najoron’ny Amiraly Didier Ratsiraka izay mifantoka amin’ny boky mena sy ny liberalisme taty aoriana ary ny fitandrovana ny fiandrianam-pirenena na “souveraineté nationale”. Ka raha manaraka an’izay dia mipoitra ho azy eo ary tsy ho tapitra mihity ny dimby na “relève” Arema.

 

(T.T) : Raha izany rehetra izany tsy efa mba voakitikitika sy voaantso hiditra ao amin’ny governemanta ankehitriny misy ny rahalahinao ve ianao ?

(H.R) : Izahay dia manavaka tsara ny raharaham-pianakaviana sy ny raharaham-panjakana hatramin’izay. Izaho manana ny foto-kevitra hijoroaka sy arahako dia ny maha Arema ahy hatramin’izay, ireo rahalahiko manana ny foto-kevitra hijoroana avy dia mifanaja amin’izay mahadiavolana ny sainy hoenti-mampandroso an’ity nosintsika ity izahay.

 

Nangonin’i Ntsoavina Evariste

 


 

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT