Herivelona maromaro ivelan’ny fitondràna

«Rehefa izahay ve izany no mihetsika dia hoe hanongam-panjakàna?»


  • Zoma 10 Janoary 2025

Nanao fanambaràna miaraka tetsy amin’ny Motel Anosy omaly ireo herivelona maromaro ivelan’ny

fitondràna ahitàna hery politika toy ny ACS sy mpikamban’ny kaongresin’ny tetezamita teo aloha na FMKT, ny sendikan’ny mpiasa toy ny FISEMARE sy Randrana sendikaly izay mivondrona anatin’ny Komity iombonan’ny mpiasa malagasy na KIMM ary ny HPM. Nisaotra ireo raiamandreny ara-panahy izy ireo nitsinjo sy nijery ny zanany dia ny mpino ka mampaneno lakolosy fanairana manoloana ny fahoriana mianjady amin’ny malagasy vokatry ny tsy fisian’ny fahamarinana amin’ny fitantanana ny raharaham-pirenena. Miakatra isan’andro, hoy izy ireo, ny vidim-piainana. 4000 Ariary, ohatra, ny vary 1kg. Tsy misy fandriampahalemana na ambanivohitra na an-tanàn-dehibe. Tantely afa-drakotra ny harem-pirenena toy ny volamena sy sokatra. Sempotra sy sahirana ny mpiasa malagasy noho ny tsy fisian’ny fiakaran-karama tao anatin’ny 4 taona. Tsy misy famoronana asa ho an’ny tanora malagasy. Fahatapahan’ny herinaratra lavareny sy rano tapaka no manerana an’i Madagasikara. Fifidianana tsy mangarahara, feno hosoka. Mila vahaolana haingana, maika, hentitra ny firenena malagasy ao anatin’ny fifampidinihana sy ny fifanakalozan-kevitra izay andraisan’ny vondron-kery rehetra anjara. Ny vondrona HPM, ACS, FMKT, KIMM dia miantso ny mpitarika herivelona rehetra tsy an-kanavaka hiara-hikaon-doha, hanatrika sy handray anjara amin’ny fivoriana atao ao amin’ny Arrupe Faravohitra ny zoma 17 janoary 2025 manomboka amin’ny 9 ora maraina hatramin’ny 12 ora atoandro. Ny fanavotam-pirenena no tanjona ka matoky ny fitiavan-tanindrazana misy amintsika amin’ny alalan’ny fahatongavantsika marobe, hoy hatrany izy ireo. Tsy manavaka ny fanasàna, hoy ny filohan’ny KIMM, Dr Jules Andriamaholison. Inoanay, hoy izy, fa ao amin’ny fitondràna ao dia misy malagasy koa izay tsara fo, tia tanindrazana. Resahina foana, hoy ny mpitarika ny ACS, Pr Ralison Roger, ny hoe hanongam-panjakàna. Rehefa izahay ve izany no mihetsika dia hoe hanongam-panjakàna, hoy izy? Ny alarobia teo izao nisy fanambaràna tamina hotely iray nataon’ny mpanohana fitondràna. Niteny mihitsy ireo hoe gadrao sy ny namany izay manao an’izao fa izahay angaha naninona? Maninona no rehefa hoe izahay hivondrona hanambatra hery hiadiana amin’ny tsy rariny hitsinjovana ny vahoaka satria adino foana ny vahoaka dia hoe hanongam-panjakàna ve? Potika ny firenena dia ho jerena fotsiny amin’izao ve, hoy hatrany ireto herivelona ireto.
Nangonin’i J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT