Politique

Herintaona mialohan'ny fifidianana Misavoritaka ny “base”-n’ny TIM


  • Alarobia 21 Septambra 2022

Raha samy efa miketrika sy manomana ny fifidianana heverina fa hatao amin’ny 2023 ny herivelona politika samihafa, dia somary miroharoha saina amin’ny zava-misy kosa ny mpikatroka TIM (Tiako I Madagasikara) eny ifotony na ilay antsoina hoe: “base” ankehitriny.

Ny “base” anefa no tena hery sy ain’ny antoko iray, ary isan’ny nahatonga ny TIM hanana ny tanjany efa tao anatin’ny 20 taona ny fipetrahan’izany, iavahany amin’ny antoko hafa. Maro no mametra-panontaniana teo anatrehan’ny fahenoana antso amin’ny onja-peo satria misy ny fananganana sy fikotrehana fanangonana olona 50 isam-pokontany, ka eto Antananarivo Renivohitra, Antananarivo Atsimondrano, Antananarivo Avaradrano, Ambohidratrimo no voalaza fa iaingan’izany. Ny tapaky ny oktobra no re fa ho tafajoro avokoa izany, hisy mpitarika isaky ny fokontany. Raha ho an’ny eto Antananarivo Renivohitra manokana izany dia manome 9600 eo izany, raha 50 isaky ny fokontany 192. Fanina anefa ny mpikambana TIM satria misy ny rafitra mazava ny antoko miainga eny ifotony ka hatrany ambony, dia ny FOKTIM, DISTIM, REGTIM,… Maro amin’ireo “bases TIM” noho izany no lasa miroharoha saina hoe: fa inona marina ny tena tanjona ao anatin’izany? Tratry ny viriosin’ny “doublons” ihany koa ve ny TIM sa tafiditry ny zarazarao hanjakana? Misy ny manjono ao anaty koveta sy minia hamakivaky ny TIM? hoy ny fanontaniana sy fanamarihana. Raha ny loharanom-baovao azo, aorian’ny 13-14 oktobra, hisy hetsika atao hotarihin’ireo ao ambadik’ity fananganana vondrona na rafitra, izay misy mandika ho karazan’ny fanjonoana ao anaty koveta ity. Maro noho izany ny mpikatroka eny ifotony ao anatin’ity antoko sokajiana ho manana ny tanjany eto Madagasikara ity no mametra-panontaniana hoe: fanafimasana orina ny antoko ve no tanjona ao anatin’izany sa karazana paikady hoenti-mandrava azy sanatria? Herintaona mialohan’ny fifidianana no misy an’io mitranga ka ao anatin’ny toe-javatra tahaka izao ve no iatrehana fifidianana? Fanina izahay hoe: tena izao ve ilay hoe: miandry manga masaka? Hanao inona dia hatao inona ny fanjonoana anaty koveta? Tena hanamafisana orina ny antoko sy hanomanana ny fifidianana sa sanatria tsikombakomba amin’ny mpifanandrina hoenti-mandemy ny TIM? hoy ireo mpikatroka avy amin’ity antoko ity eny ifotony.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT