Ny zava-nisy dia notapahan’ny antenimieram-pirenena ny sata mifehy ny mpanohitra ary iny tsy nahitam-bahaolana teny amin’ny antenimierandoholona iny ka votery naverina eny Tsimbazaza indray,
hoy ny fanazavan’ny mpandrindra ny tanora TIM eto Analamanga, Heriniaina Razanadrakoto, raha nanontaniana ny mety ho tohin’ny raharaham-pirenena. Raha tsiahivina dia nampalahelo ny zava-nitranga, hoy izy, satria lalàna tsy nampiharina akory ary nanaovana fitsapan-kevi-bahoaka kanefa dia nokitihina sahady. Somary mirona amin’ny fandinihana io resaka fanoherana io moa izao ny antenimiera kanefa etsy ny resaka sosialim-bahoaka dia midangana ny vidim-piainana. Lasa tsy mifantoka amin’ny asa tena maha solombavambahoaka azy ireo depiote vokatry ny fandroritana ity resaka fanoherana ity, hoy ny fanazavany. Ny tokony hatao anefa dia tsy kitihina intsony raha tsy efa nampiharina ny lalàna efa misy. Lasa sintomina sy andaniana volam-panjakana fotsiny ilay izy. Mikasika ny antoko Tiako I Madagasikara sy ny fifidianana ben’ny tanàna kosa dia nanamafy ity mpanao politika mpikambana ao ity fa tsy resy akory ny TIM fa mpandresy foana satria niarahan’ny rehetra mahalala ny zava-nitranga ary hanana kandida maro izy ireo amin’ity.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.