Iny no fanapahan-kevitry ny HCC na nitsotra aza ny CENI hoe be ny tsy fahatomombanana, hoy ny mpanao politika, Heriniaina Razafindrakoto,
raha nanontaniana ny heviny mikasika ny fahitany ny hoavin’ny antenimieram-pirenena amin’izao taom-piasana manaraka izao. Didy tsy azo ivalozana iny ary hisaorana azy satria tompon-teny farany izy. Nametraka ny dosie maha mpanohitra azy ny antoko Tiako I Madagasikara ary na vitsy an’isa aza izy ireo dia manan-danja ka inoana fa hihaino azy ireo koa ny maro an’isa satria tsy mety raha manao izay tiany atao fotsiny fa tsy mijery ny zava-tsy nety teto amin’ny firenena. Manana ny traikefany sy fiofanana azony ny depiote TIM, hoy ity filohan’ny tanora TIM eto Analamanga ity. Anio sy rahampitso moa dia hiatrika kaongresy ny antoko ary manentana aho, hoy izy, ho an’ireo tanora TIM mba hanatrika izany satria fotoana hametrahana ny politika sy paikady hiatrehana izao taom-pitondrana manaraka izao io ankoatra ny fananganana birao vaovao.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.