Herinandro taorian’ny voka-pifidianana

Handray fahefana ny IRMAR, hivondrona ny mpanohitra…


  • Zoma 24 Janoary 2025

Herinandro katroka anio no namoahan’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny Fanjakana

na ny TAF ny voka-pifidianana ofisialy ho an’ny Faritanin’Antananarivo. Anio no hanao fifamindram-pahefana ny eo eto anivon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra amin’ny alalan’ny PDS Atoa Alexandre Georget sy Rtoa Harilala Ramanantsoa izay nolazaina fa lany ? Manao ahoana kosa ny fijerin’ny mpanohitra indrindra fa ny avy amin’ny TIM izay manizingizina hatrany fa fifidianana feno hosoka iny ary tsy hanaiky hatramin’ny farany ? "Miandry ny antoko TIM hiteny isika izao hoe ahoana ny ataony amin iny vokam-pifidianana iny, miandry any Tojo Ravalomanana hiteny isika " hoy I Depiote Fidel Razara Pierre solombavambahoaka lany tamin’ny anaran’io Antoko io omaly 23 janoary. « Tsara mahalala zavatra ihany ! Ny fitoriana nataonay fandravana ny didy izay navoakan’ny TAF, mangataka ny filankevi-panjakana. Tsy manana « effet suspensif » anefa ny fitoriana nataonay, ka tsy maintsy mizotra ny zavatra ataony, izay hanaovany azy any satria tsy afaka mampiato an’iny ny fitoriana nataonay », hoy kosa i Marc Ravalomanana. Nambarany fa na ny nisaraka aza ny mpanohitra noho ny hambo-po dia samy mahatsapa fa potika ny Firenena ary mahantra ny vahoaka Malagasy,... Efa mandeha izao ny hoe : andao indray hiverina, dia ho hitantsika eo indray, hoy i Marc Ravalomanana. Mila mpitarika tena afaka mampiombona ny mpanohitra…

EFA NAMPOIZINA, MIANDRY NY FIVONDRONAN’NY MPANOHITRA…
Vitan’ny fitondràm-panjakàna no nampanao fifidianana, hoy ny mpamakafaka raharaham-pirenena, Dany Rakotoson, ary vitany ihany koa ny nitandro ny fandriampahalemana izany izao, herinandro aty aorian’ny nivoahan’ny vokam-pifidianana mba tsy hisian’ny sakoroka politika ohatran’ireo efa nitranga intsony. Miandry ny 5 taona manaraka indray izany, hoy izy, raha ny mikasika ny fifidianana no ambara fa tsy hisy fahagagana azo antenaina angamba. Tsy dia nisy nandrasana hiova be tampoka, hoy kosa ny mpikatroka FIVOI na Fampandrosoana ivoaran’ny eny ifotony, Tsivery Harisoa Mao Tse Toung. Nisy, hoy izy, ny letrezana notanterahina na teo amin’ilay fiatrehana ny fifidianana mihitsy izany na ny vokatra izay nahitàna fanamarihana maro. Ireny izy ireny. Ny azo ambara dia hoe fifidianana fa tsy fividianana no niantsoana. Ho anay tany amin’ny distrikan’i Manjakandriana nefa dia nanjaka ny vola, raha ny hita. Mbola averinay ihany hoe mila amboarina io tontolom-pifidianana io raha tena te ho tonga any amin’izany atao hoe lalan’ny fandrosoana izany isika. Misy antony kosa, hoy ny filohan’ny antoko politika Natiora, Mihari-Ni-Rencho, raha tsy nandray anjara tamin’ny fifidianana ny ankamaroan’ireo antoko politika lehibe. Efa fantatra, ohatra, izao, hoy izy, fa tsy hanome an’Antananarivo ho an’ny mpanohitra izany ireo. Efa fantatra ihany koa fa hanao ny ataony izy satria am-pelantanan’ny fitondràna ny fahefana rehetra. Mbola niezaka nandray anjara ihany moa izay nandray anjara satria samy manana ny heritreriny. Miandry ny fivondronan’ny mpanohitra isika ankehitriny aloha, hoy hatrany ny tenany.
Toky R/ J.Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT