Latsaka anaty hantsana sy an-katerena tanteraka ny Firenena,
hoy i Herimanjaka Tsilavo Manantsoa dit RIMA, mpanabe sy mpandinika ny raharaham-pirenena, raha naneho hevitra tamin’ny mpanao gazety. Antony lehibe amin’izany, hoy izy, ny tsy fahaiza-mitantana, ny tsy fisian’ny haitarika, ary ny tsy fahampian’ny mangarahara eo amin’ny fitondrana. Notsindriany fa manjaka ny afera maloto, toy ny raharaha boeing 777, ary tsy mahomby ny fitantanana amin’ny ankapobeny. Notsiahiviny koa ny fanambaran’ny filohan’ny antenimierandoholona, izay nilaza fa matoky ny fitsarana malagasy, nanomezana tsiny ny mpanao gazety mihitsy. « Ankehitriny niantso FBI fa moa va tena misy FBI tokoa eto amin'izao fotoana izao ? Asa aloha fa ny ahiahy tsy hihavanana... », hoy izy. Notsikerainy mafy ny tetikasa teleferika, izay voalaza fa hanala fitohanana, nefa hita fa milahatra hiala voly fotsiny ny olona, tsy voavaha ny fitohanan’ny fiara,... Tsy lazaina intsony ny solika lanin’io teleferika io amin’izany. Nambarany mahitsy fa potika tanteraka ny fanabeazana: fandaharam-pianarana lany daty, mpampianatra tsy omena hasina, ary vokam-panadinana mitotongana. Anisan’ny manampy trotraka ny toekarena mitotongana, ny ariary mihena isa-maraina, ny harin-karena faobe midina, ary ny karama farany ambany izay tsy mandray ampahatelon’io akory ny sefom-pokontany, kanefa mbola tsy voaloa. Miakatra isa-minitra ny vidim-piainana, ary tsy lazaina intsony ny fanapenam-bava amin’ireo mpaneho hevitra. Ohatra amin’izany ny raharaha Elia Rabevahiny, izay nanohitra ny Base Toliara. Nahitsy ny tenanany nilaza fa tsy misy antenaina intsony izao fitondrana izao na dia kely monja aza... « Ny vahoaka ihany no lalana farany sy masimandidy ahafahana miala amin'izao krizy izao, mifohaza ry valala be mandry », hoy hatrany i HERIMANJAKA Tsilavo Manantsoa, raha nanontaniana hoe : inona ary no làlana hivoahana amin’ny krizy. Raha nanontaniana manodidina ny mety ho tandindon’ny raharaham-piangonana toy ny nahavoafidy ho Filohan’ny fiangonan-dehibe iray ny olona isan’ny nenjehin’ny fitondrana kosa, dia namaly am-pahatsorana ny tenany, fa ny fiainam-piangonana raha tokony ho izy tsy misy hifandraisany amin'ny raharaham-pirenena. Nefa ny vahoakam-piangonana koa dia firenena. « Marika sahady ireny fa manomboka mitady hirika sy mitady hevitra ny vahoaka hialana amin'ny krizy ka miezaka manao izay fomba rehetra na ankolaka ihany aza izany fa tsy mivantana », raha ny fanehoan-kevitr’i HERIMANJAKA Tsilavo Manantsoa hatrany
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.