Herim-bahoaka mitambatra

«Aza adino fa efa niofo tanteraka ho Frantsay io Filoha io!»


  • Alatsinainy 10 Martsa 2025

Iaraha-mahita ankehitriny ny zava-misy ao Toliara toy ny fahavoazan’ireo traboina,

hoy ny antoko politika Herim-bahoaka mitambatra na HBM. Toy izany koa, hoy ny sekretera jeneralin’izy ireo, Lova Andrianjaka, ny raharaha Base Toliara. Teo, hoy izy, ny fanapahan-kevitra noraisin’ny katolika. Manerana ny nosy dia mianjady olana ankehitriny ny malagasy. Hitantsika ireny fisamborana tany avaratra ireny. Efa ela no niaraha-mahalala fa hafa no nambaran’ny filoham-pirenena. Hafa ny ataony. Fampandriana adrisa ny vahoaka malagasy no miseho ary fanambaniana an-kitsirano ny malagasy mihitsy ny filazàna fa mivovoa izay mitsikera ny tsy mety ataon’ny fitondràna. Tsy misy mivovoa afa-tsy ny alika. Izay moa izany no andraisan’ny filoham-pirenena ny malagasy ary tsy mahagaga izany satria aza adino fa efa niofo tanteraka ho frantsay io filoha io tamin’ny alalan’ny antsoina hoe «naturalisation»! Vao haingana moa izahay ao anatin’ny vovonana na «cellule de crise» Diovy i Madagasikara no nampahatsiahy an’izay. Latsaka an-katerena ankehitriny ny vahoaka malagasy. Tsy hita ho mankany amin’ny fandrosoana fa mankany amin’ny fihemorana ny firenena malagasy. Efa sahirana sy mitady izay ho arapany angamba ny vahoaka malagasy dia azo tambatambazana amin’ny hoe vary 1 gony na fitapitahana amina zavatra hafa eo. Ny fanoherana koa etsy andaniny tsy hita mazava ny tena tanjony. Hitondra vahaolana ho an’ilay mpitondra ve? Hanoro hevitra azy ve sa hanampy azy? Sarotra ny raharaham-pirenena ankehitriny ary tsy misy afa-tsy ny fiaraha-midinika ihany no ahitàna vahaolana. Mitady ny politika matotra ivoahana amin’ny krizy izahay mivondrona ao anatin’io Diovy i Madagasikara io. Izay ihany no vahaolana hitanay dia ny fiaraha-midinika satria manana vahaolana daholo ny mpanao politika malagasy saingy ilàna marimaritra iraisana ny fandrindràna sy fampiharana izany, hoy hatrany ny HBM.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT