Herilanja Ralaiharinivo

« Olona fantatra fa efa nahavita asa no tsara mitantana an’Antananarivo »


  • Alarobia 09 Oktobra 2024

Mety hoe leo politika ny Malagasy matoa ambany foana ny taham-pandraisan’anjaran’ny mpifidy

rehefa fifidianana , ary na ny tena aza mety efa nanakaikikaiky izany ihany,hoy i Herilanja Ralaiharinivo, kanefa mahatsiaro tena ho manana adidy amin’ny fiarahamonina sy ny tanàna ny tena dia tsy maintsy mijoro ary nanapa-kevitra ny hiara-dia amin’i Tahina Razafinjoelina. Heveriko , hoy ity mpanentana nandritra ny hetsiky ny « Collectif des 11 candidats » ny taona 2023 ity fa manana ny herin-tsaina sy herim-batana ary ny fahalalana amam-pahaizana ahafahana mitondra ny tanànan’Antananarivo i Tahiana R. Nomarihiny fa safidy daholo ny zavatra atao eo amin’ny fiainana, ka rehefa misafidy dia tsy mandeha any amin’ny zavatra mangidy fa misafidy mandeha mankany amin’ny zavatra mamy ahitanao fahombiazana, hoy Herilanja manoloana ny fanontaniana hoe a nahoana ianao no tsy manohana ny kandida an’ny antoko nahafantarana anao hatramin’ny taona 2002 fa manohana kandida hafa.. Amin’ny politika koa tsy voatery hoe hiaraka foana ary tsy maintsy jerena izay mahasoa ny tanàna sy ny fiarahamonina, hoy iHerilanja Ralaiharinivo. Tsy mety , hoy izy hoe olona tsy manana traikefa na fahaizana ny amin’izany politikam-pitantanana tanàna izany no apetraka eo, aleo ny mahavita sy azo antoka no mitantana mba tsy hanenenana tahaka ny efa nitranga tany aloha. Izaho manokana, hoy i Herilanja dia efa 25 taona no nahafantarako an’i Tahina Razafinjoelina, hitako ny niatombohany sy ny nataony ary ny fivoarany eo amin’ny lafiny arak’asa sy ara-politika. Ny anarany rahateo moa efa hoe Tahina ka midika zavatra lehibe izany satria ny anarana dia fisandratana ka ny faniriana dia ho tahian’Andriamanitra isika mianakavy sy ny tanàna dia samy tsara, hoy izy.
RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT