Politique

Henry Rakotomalala na Riribe “Tsy azo ihodivirana ny tetezamita”


  • Alatsinainy 23 Janoary 2023

Tsy azo ihodivirana ny handalovan'ny firenena amin'ny tetezamita, hoy ny mpanao politika Henry Rakotomalala na Riribe.

Izaho no malagasy voalohany sahy nilaza am-pahibemaso fa tsy hisy fifidianana amin’ity taona 2023 ity noho ny adalan'ny mpitondra ary mbola hamafisiko eto izany, hoy izy. Manomboka miteny sy mivoy izany hatramin’ireo mpomba ny filoha Andry Rajoelina ankehitriny, izay mety ho izy ihany no maniraka ireo olona ireo ka tiany mbola ho izy ihany no ho filoha eo. Tsy misy hanaiky izany eto. Fandikana lalampanorenana ny tsy fanatanterahana fifidianana araka izay voasoritry ny lalampanorenana. Afaka volana vitsivitsy dia ho tapitra ny fe-potoana hiasan'ny filoha Andry Rajoelina ka raha ny lalampanorenana no arahabaina dia ny filohan'ny antenimierandoholona no mandray ny toerany manomana ny fifidianana sy mampandeha ny raharaham-panjakana. Ny fifidianana anefa tsy hisy amin’ity taona ity. Ny zavatra ahiako hiseho dia haniraka olona mpanohana azy ny filoha Rajoelina hanangona mpanao politika hivoy tolom-bahoaka hidina an-dalambe hanamora ny fametrahana izany tetezamita sy fiaraha-mitantana izany ka mbola hamitaka indray ny vahoaka malagasy. Tsy maintsy hisy ny hetsi-bahoaka saingy aoka ho mailo isika ahay hamantatra ny tena tolom-bahoaka sy ny fitadiavan-tseza. Fotoana izao hanovana tanteraka ny fomba fitantanana firenena sy hamaritana ny hoavin'i Madagasikara. Mbola ho avoakantsika eto amin’ny manaraka ny tolo-kevitra sy ny zavatra ho tanterahina ao anatin'izany tetezamita fanavotam-pirenena izany, hoy hatrany ity mpanao politika ity.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

Hijery ny tohiny
FTT