Politique

Henry Rakotomalala na Riribe “Mbola Rajoelina ihany no ao ambadik’io LERA io”


  • Zoma 27 Janoary 2023

Tandremo,tandremo sao ho voafitaka isika vahoaka malagasy fa amin'io "lera miala Rajoelina " teny amin’ny Espace Mahatehotia io fa mbola Rajoelina no ao ambadik'io, hoy ny mpanao politika, Henry Rakotomalala na Riribe.

Hazavaiko, hoy izy. Fantatr'izao fitondrana izao tsara fa tsy maintsy hisy tolom-bahoaka amin’ity taona ity vokatry ny tsy fahaiza-mitantana nataony ka hirahiny ireo mpomba azy, depiote sy mpanao politika mpiaradia amin’ny fitondrana ary mpanohitra sadasada izay efa ratsy endrika ao amin’ny TIM sy HVM izay mamba noana. Mpitady seza mody mivoy ny teny hoe "Lera, Miala Rajoelina" mba hakana ny feon'ny vahoaka efa leo izao fitondrana izao ka hitarika olona hidina an-dalambe. Ny ataon'izy ireo anefa dia ny hanamafy ny sezan'ny filoha Rajoelina sy hanova praiminisitra sy minisitra ka izy ireo no ho ao anaty governemanta. Mody lazaina fa fisokafana. Tsy izany no tolom-bahoaka tiantsika ho apetraka eto ka lasa fitadiavan-tseza fotsiny fa tolom-panafahana ny firenentsika tsy ho eo ambany fangejan'ny vahiny sy ny rajakom-bazaha vitsy an'isa intsony ka hametrahantsika rafi-pitondrana vaovao tena malagasy ahafahana mampandroso haingana ny faritra tsirairay miainga eny ifotony ary hanafoana ny tsy maty manota sy ny mpanodinkodina ny harem-pirenena sy volam-bahoaka hiadanan'ny isan-tokatrano sy ny isam-paritra. Tandremo, tandremo sao ho voafitaka isika vahoaka malagasy amin’ireo olona ireo. Izy ireo dia olona akaiky ny filoha Andry Rajoelina daholo ary misy TIM nivadika ihany koa,CT sy CST nanohana ny filoha Andry Rajoelina, minisitra taloha sy maro samihafa. Tandremo! Tandremo tsy ho voafitaka isika, hoy hatrany i Riribe.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT