Hemerson Andrianetrazafy

«Tena mikororosy tanteraka isika»


  • Alatsinainy 13 Mey 2024

Tena mikororosy tanteraka na ara-drafitra na aram-pitantanana na ara-piarahamonina isika ankehitriny,

hoy ny mpahaitantara, Hemerson Andrianetrazafy, raha atao jery todika ny zava-misy hatramin’izany hetsiky ny 13 may 1972 izany hatramin’izao 13 may 2024 izao. Fefika an-dalana ireo nofy sy vina rehetra ka ny fanantenana ny tsaratsara kokoa rendrika noho ny fitiavantena, filam-boninahitra ary ny habadoana tafahoatra, hoy izy. Endrika iray amin’ny tsy fisian-drafitra mahefa isika izao na «anarchie» ka ny be sandry, ny be basy, ny be vava, ny be loha no mirehareha. Ny olombelona moa tsy nohajariana ka tsangan'olona mandrava ny misy daholo fa tsy misy izay miheritreritra mikasika ny iraisana. Vahaolana misy foana fa vonona ny hanao azy ve isika ? Rehefa miely ny pesta, vonoy ny voalavo! Vizana aho! Leo ny mitsako mangidy rehefa mandinika sy mijery ny zava-misy, leo sarin'ady tsy hitondra mankaiza, leo mpisandoka manandra-tena ho sangany ka tsy hitako intsony izay ho hafatra hapetraka rehefa mbola tsy ho avy amintsika rehetra ny fahatongavan-tsaina, hoy hatrany ity mpahaitantara ity!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT