Politique

Hemerson Andrianetrazafy “Miha gadra, miha gadra hatrany isika”


  • Alatsinainy 27 Jona 2022

Ambaratonga amin’ny lafiny maro no azo iresahana ny atao hoe fahaleovantena, hoy ny mpahaitantara sy mpahaivakoka, Hemerson Andrianetrazafy.

Misy aloha, hoy izy, ny hoe fahaleovantena apetraka amin’ny maridrefy amin’ny maha firenena. Eo amin’ny resaka ara-drafitra izany. 62 taona lasa izany izay, toy ny taonako. Mahaleotena isika ara-drafitra na eo amin’ny fifandrefesan’ny samy firenena. Misy maridrefy hafa hijerena azy koa anefa. Eo amin’ny lafiny fanapahan-kevitra anatiny ve isika mahaleotena? Eo amin’ny fandrindrana fiainam-piarahamonina, fitantanana, toekarena ? Tsy azo odiana tsy fantatra ny fisian’ny fanjanahantany amin’ny endriny vaovao nokolokoloin’ny Frantsay taorian’ny ady lehibe faharoa. Nokolokoloina toy ireo zanatany frantsay rehetra tsy hiala ambany vahohon’ny Frantsay koa I Madagasikara. Isany, ohatra, ny fisian’ny “accord de cooperation” na fifanarahana fifandrimbonana tamin’ny repoblika voalohany. Ny dikan’io dia hoe tsy azo kitikitihana ny tombontsoa Frantsay ary ny Malagasy dia toa ireo zanatany frantsay rehetra. Na ny toekarena sy fitantanam-bola aza mbola teo ambany vahohon’ny Frantsay satria isika tao anatin’ny antsoina hoe “Zone franc”. Notsipahana tamin’ny fiatombohan’ny repoblika faharoa moa iny. Nisy vanim-potoana isika nikatsaka ny tena fahaleovantena. Nanangana firehana sosialista isika tamin’ny repoblika faharoa saingy ny olana tamin’io dia somary nivaona ilay paikady. Eo izany ilay elanelana eo amin’ny rafitra natao an-tsoratra sy ny zava-misy ifotony. Lasa nivondrona am-pelantanan’olon-tokana ny fahefana. Tsy dia nanome hery ny fiarahamonina Malagasy hitady ny lalana amina fiarahamonina afaka mivelon-tena izany. Nitady lalana nivoahana tamin’ny hitsoka nidirana moa isika dia nandeha ny “libéralisation” ny faraparan’ny taona 1980 tany. Nahatonga izao korontana rehetra izao io satria ny repoblika faharoa no niezaka isika hitady hevitra hahatongavana amin’ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Niezaka nametraka ny toeran’I Madagasikara teto amin’ny ranomasimbe Indianina isika. Tadidinareo angamba ny hoe “oseanina indianina, faritry ny fandriampahalemana”. Niezaka niditra tamina rafitra iraisampirenena samihafa isika saingy raiki-tampisaka hatrany ny tsy fahaleovantena satria tsy sasatry ny nanovona sy nanampy trosa sy trosa isika. Na ny zafiafin’ny zafiafy aza tsy mbola antenaina hahafaka azy. Ny sitrapon’ny mpamatsy vola no ezahana atao dia miha gadra miha gadra isika. Mila mijery ny Malagasy hoe inona no efa ananantsika, inona no azontsika atao na misy na tsia fanampiana? Tsy maintsy miezaka isika manefy ny nofinofintsika hoe karazana fiarahamonina tahaka ny ahoana no mety amintsika satria miara-mionina isika izao. Misy manontany hoe misy mpitondra ve eto fa izaho manontany hoe misy fiarahamonina ve eto? Tian’ny Malagasy koa moa indraindray ny milanonana mba hanadinoana ny tena izy fa ny olana mipetraka foana, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

Hijery ny tohiny
FTT