HCDDED

Lasa atao rafitra sarivongana ihany koa…


  • Alakamisy 30 Janoary 2025

Na ny eo anivon’ny fitondràna ankehitriny, tamin’ny alalan’ny depiote voafidy tao amin’ny boriboritany faha 5,

Naivo Raholdina, aza mba velom-panontaniana hoe inona marina moa no tena ilàna ity rafitra antsoina hoe HCDDED na Filànkevitra ambony momba ny demokrasia sy ny tany tan-dalàna ity? Hita ho sahy nitsikera matetika ny fitantanana ny firenena sy izay lafiny demokrasia sy fampiharana ny lalàna izay tamin’ny fotoan’androny ny filohan’ity rafitra ity teo aloha, Pierre Lenoble Navony, ary niaraha-nahita tao anatin’izany ny karazam-panenjehana sy heverina hoe antsojay nihatra taminy. Isan’ny fanontaniana mipetraka hatramin’izao ny hoe hatraiza fahefana hananan’ity rafitra ity na koa fahafahany mampihatra lalàna na ilay antsoina hoe «force exécutoire»? Tsy efa azo lazaina ho mizotra any amin’ny fanohanana ny fitondràna ankehitriny aza ve ny fomba firesaky ny mpitantana vaovao an’ity rafitra ity? Nilaza ho mbola tena tao anatin’ny tsy fahasalamana moa ny filohan’ny HCDDED teo aloha ka mbola tsy tena afaka miresaka. Nambarany kosa anefa fa ilaina ity rafitra ity na dia maro amin’ireo mpanara-baovao sy mpisehatra eo amin’ny raharaham-pirenena aza no maneho fa tsy maharesy lahatra ny filàna azy.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT