HCC

Manitrikitrika fa tena nety ny nataony


  • Zoma 15 Septambra 2023

Nanitrikitrika ny Filohan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na ny HCC Atoa Florent Rakotoarisoa omaly, fa tao anatin’ny fanajana lalàmpanorenana avokoa ny fanapahan-kevitra noraisin’izy ireo.

Aza lotoina ny Fitsarana avo momba ny lalàm-panorenena. Tsy ny HCC no mitsara ny resaka zom-pirenena, fa rehefa tonga eto aminay ny taratasy, dia tsy anjaranay ny manadihady na tsy hino ny fahamarinan'izany "certificat de nationalité" izany, fa heverina ho toy ny marina rehefa tsy misy porofo hilazana fa diso”, hoy I Florent Rakotoarisoa. Nilaza fatsy miankina amin’izy ireo ny firotsahan'i Andry Rajoelina fa ny dosie no jereny. Tsy misava hoe: mizaka zom-pirenena 1 na 2 na 10, fa ny lalàmpanorenana no jerena hoe: mizaka ny zom-pirenena Malagasy ka ao izay taratasy izay. Ahoana no mbola hanontany indray mandeha an’ilay mpitsara hoe: tena marina tokoa ve ity “certificat de nationalité” vao nomenareo telo andro? Tsy anjaranay ny miahiahy ilay mpitsara mbola hanontany azy indray, hoy hatrany izy, izay nilaza fa misy dingana ny fangatahana famerezana zom-pirenena. Raha taratasy hosoka ve izany no nalefa tao dia voaray foana? Nanitrikitrika fa tsy nisy fanonganam-panjakana fa ara-dalàna tanteraka ihany koa ny nanomezana ny fitantanana ny firenena ho an'ny governemanta rehefa nandà ny filohan'ny Antenimierandoholona. “Tsy misy "coup d'état institutionnel" izany eto”, hoy izy, izay naneho fa tsy tompon’andraikitra amin’ny mety ho tsy fifankahazoana eo amin’ireo kandida sy ny governemanta. “Mafy loatra ny fiampangana izay heverinay fa tsy rariny sy tsy mandeha araka ny lalàmpanorenana, terena izahay hivoaka amin’ny lalàmpanorenana, ny lalàmpanorenana no mamaritra ny fitantanan’ny governemanta”, hoy hatrany izy. Tena tsy mahay lalàna ve ireo kandida izay manana mpahay lalàna na “équipe juridique” ihany koa tamin’ny fametrahana ireo fitoriana toy ny raharaha zom-pirenena sy fandavana ny firotsahan-dRajoelina? Na nilaza tsy hanatrika ny fanasana aza ireo kandida, nilaza ny HCC fa hanohy ihany ny lahadinika nomaniny amin’ny resaka lalàna sy fitoriana ara-pifidianana, izay nambara fa fangatahan’ny kandida. Ny SECES, Firaisamonim-pirenena iray vohitra, Andrimaso FFKM, RMDM, G5,... izao tontolo izao toa efa samy milaza fa misy tsy fanarahan-dalàna dia mbola manamarin-tena eo ihany ny HCC fa mety ny nataony?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT