HCC-Dosie goavana maromaro

Mampitombo ny ahiahy ny fampitarazohana azy…


  • Alakamisy 26 Oktobra 2023

Fitoriana iray tamin’ireo maro misavovona ao amin’ny HCC aloha no nivaly, dia ny an’ny kandida Andry Raobelina sy ny Antokony (ARB)

mikasika ny fangatahana fanemorana fanindroany ny datim-pifidianana noho ny antony tsy azo hanohanarana, izay nolavin’io Fitsarana Avo momba ny lalàmpanorenana io. Tonga ny 23 oktobra io, ary nivaly ny 25 oktobra. Mihisatra kosa ireo raharaha goavana, toy ny taratasy fangatahana tamin’ny HCC ny hijerena ny fifanarahany amin’ny lalàmpanorenana na tsia ny andininy faha-42 amin’ny didy hitsivolana N°60-064 tamin’ny 22 jolay 1960 mikasika ny fehezan-dalàna momba ny zom-pirenena Malagasy ihany koa ny loholona IRD Tsiebo Mahaleo sy ny tariny, napetraka ny 08 oktobra; ny fitoriana nanaton’ny depiote 38 notarihin’ny solombavambahoaka Stanislas Randrianarisoa sy ny namany, hijerena ny maha manaraka ny lalàmpanorenana na tsia ny didim-panjakana N°2023-1390 tamin’ny 11 oktobra 2023 miantso ny loholona hivory tsy ara-potoana. Mbola ny 12 oktobra ihany, nangataka tamin’ny HCC ny hijerena ny maha mifanaraka amin’ny lalàmpanorenana na tsia ihany koa ny Filohan’ny Antenimierandoholona tamin’izany Atoa Herimanana Razafimahefa. Mbola dosie hafa ihany koa ny fitoriana nataon’Atoa Herimanana Razafimahefa ny 16 oktobra izay nisintona ny taratasy tsy nahafahany nandray ny fahefana ho Filoham-panjakana mpisolo toerana; ny hanamarinan’ny HCC ny tsy maha manan-kery ny fametrahana ny governemanta miara-mitantana; fanendrena azy izay mbola Filohan’ny antenimierandoholona tamin’ny fotoana nametrahany ny fitoriana ho Filoham-panjakana mpisolo toerana mba ho fanajana ny lalàmpanorenana. Mbola nitohy ny an’ny Filohan’ny Antenimierandoholona teo aloha Atoa Herimanana Razafimahefa, nangataka ny hijeren’ny HCC na ara-dalàna na tsy ny fifidianana nanonganana azy sy ny fifidianana ny Jeneraly Ravalomanana Richard ho filohan’io andrim-panjakana io, taratasy tonga tao amin’ny HCC ny 18 oktobra. Dosie goavana manamarika ny politika ireo, ary heverina fa isan’ny tena maika, saingy mahagaga ny fitarazohany sy tsy hamoahana valiny hatramin’izao. Ny fangatahana fanamarinana ny maha mifanaraka ny lalàmpanorenana ny fiantsoana fivoriana tsy ara-potoanan’ny loholona no nangatahana, saingy vita ihany izany fa ny fanamarinana ny maha ara-dalàna na tsia azy tsisy valiny. Nandeha hatramin’ny fanonganana filohana andrim-panjakana aza, fa tsy niandry ny didy, ary tahaka izany ihany koa ilay fitoriana mba hanatsoahana ny fahefan’ny governemanta, saingy toa efa mazava izany fa izay vita dia vita?
Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT