Hazakazaka ho an’ny fandresena no nanombohan’ny kandida solombavambahoaka Me Hanitra Razafimanantsoa lah-6 natolotry ny movansy Ravalomanana eny amin’ny Boriborintany I ny fampielezan-keviny ny faran’ny herinandro teo. Niainga tetsy amin’ny FIARO Ampefiloha ny Me Hanitra sy ireo ekipany niaraka tamin’ireo mponina eny amin’ny Boriborintany I, nihazo an’Andavamamba ary niafara teny amin’ny kianjan’ny basikety 67ha. Nanakoako teny an-dalana ny hiakan’izy nanao hoe : “Aiza ry ambanilanitra, efa io ny Me Hanitra, izy ilay kandida solombavambahoaka Favori ety amin’ny Boriborintany I” izay kandida solombavambahoaka miaraka amin’ny dokotera Robinson kandida filoham-pirenena. Ireo mponina izay nahita ity kandida lah-6 dia nankahery azy avokoa.
Rasanda Serge
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.