Politique

Hatrany amin’ny fikarakarana fifidianana


  • Talata 13 Febroary 2024

Mbola ambanin-javatra ihany ny fitsinjaram-pahefana

Toy ny rano natondraka an-damosin’ny gana ny sosokevitr’ireo herivelona maro toy ny mpanao politika, ny fiarahamonim-pirenena, ny vondrona maro samihafa mikasika ny fanomezan-danja ny atao hoe fifidianana manakaiky vahoaka na «élection de proximité». Hatrany amin’ny fikarakarana fifidianana izany no mbola ambanin-javatra ihany ny fitsinjaram-pahefana, raha ny sosokevitra nomen’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na CENI mikasika ireo daty hanatanterahana ny fifidianana ben’ny tanàna sy solombavambahoaka omaly no jerena. Niaraha-nahatsiahy ny rora fotsin’ireo antoko sy vondrona politika maro nitaky ny hanatontosana ny fifidianana ben’ny tanàna tany amin’ireo kaominina mbola tsy manana ben’ny tanàna efa hatramin’ny taona 2019. Nifarana ihany anefa ny fotoam-piasan’ireto heverina fa tomponandraiki-pahefana isan’ny heverina ho manakaiky vahoaka ireto saingy inona akory no teo? Ireo efa lany soa aman-tsara moa izany dia nahazo tombony fa niitatra ny fotoam-piasany na dia tsy mifanaraka amin’ny lalàmpanorenana aza izany. Ireo kaominina efa kamboty tao anatin’izay fotoana lavalava izay kosa izany dia mbola haharitra ao anatin’izany toe-draharaha izany satria raha ny sosokevitra natolotr’ireo mpikarakara dia ny an-drizareo te ho lany solombavambahoaka aloha izany no ho tontosaina mialoha ny alarobia 29 may 2024 ka ny 8 may hatramin’ny 28 may amin’ny 12 ora alina no famaranana ny fampielezankevitra, raha toa ka ny 28 martsa hatramin’ny 06 aprily kosa no ahafahana mametraka ny antotan-taratasy firotsahan-kofidiana. Any amin’ny alarobia 6 novambra 2024 any mihitsy kosa vao handeha ny fifidianana ben’ny tanàna ka ny 16 oktobra hatramin’ny 5 novambra amin’ny 12 ora alina no fampielezankevitra raha toa ka ny 8 hatramin’ny 22 jolay ny fametrahana ny antotan-taratasy firotsahan-kofidiana
. J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT