Ny dadan’ny dadan’ny dadabeako koa frantsay fa izaho anefa gasy tsy manana zom-pirenena frantsay, hoy ny mpikamban’ny antoko politika, Leader Fanilo,
Hary Razafindrazaka, satria tsy nangataka aho! Aza raisina ho bado ny mpiray tanindrazana aminao, hoy izy, na dia ho fanajana azy ireo fotsiny aza. Dia nisy koa namorona zom-pirenena azo amin’ny alalan’ny diplomasia! Tsy vao mainka ve ianao nandetika azy satria mety azo ho raisina «haute trahison» na famadihan-tanindrazana faratampony izany mandray zom-pirenena an-tsokosoko izany? Ny Fametraham-pialan’ny ny filoha no mety androsoana amin’ny fitoniana. Ny fanaovana bontolo hifikitra eo amin'io toerana io dia hiteraka korontana eto aminy firenena. Tsy ho masina intsony ny teniny noho ny zom-pirenena frantsay nangatahiny ary angamba aza nandritry ny tetezamita izay notarihiny. Tsy maintsy mbola hivoaka io daty io na ho ela na aingana fa aoka izy tsy handainga fara-faharatsiny mba hiarovany ny ankohonany izay tsy manan-tsiny ao anatin’ity raharaha ity. Eo am-pelantanany ny fanapahan-kevitra hoy aho. Tandindonin-doza ny firenena izay efa latsaka an-kady ankoatr’io. Averiko eto ilay teny fanaony. Masina ny tanindrazana. Am-bava homana am-po mieritra, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.