Politique

Hary Razafindrazaka « Mitsangana manohitra amin’ny hevitra fa tsy herisetra »


  • Alatsinainy 27 Martsa 2023

Mampalahelo ny hoe ny fanaovana T shirt Andry Rajoelina no hoe nidarohana ilay mpamily Bajaja, hoy ny filoha lefitry ny antoko politika, Leader Fanilo teo aloha, Hary Razafindrazaka.

Na inona na inona antony dia mamoha henatra amiko ireny hetsika ireny ary azo tenenina hoe “lâcheté” na hakanosana, hoy izy. Iny tovolahy iny angaha no nahatonga ny fahantranao na ny tsy fandriampahalemana? Raha sahy ianao dia mitsangana manohitra ny fitondrana amin’ny hevitrao. Milahara mameno ny arabe am-pilaminana mikiakiaka manambara ny fahantranao sy ny ahiahinao! Na izany na tsy izany anefa dia tomponandraikitra voalohany izao fanjakana izao manoloana ny ngidy mianjady amin’ny vahoaka. Ny werawera etsy andaniny anefa tsy mety milefitra. lokoina loranjy daholo izao fananam-panjakana izao ampiderana ny hery. Atao daholo ity hetsika loranjy ity hanakonana ny tsy fahombiazana. Ampiasaina ny tafika handemena ny mpanohitra mihetsika fa ry zareo tsy misy bedy mameno ny arabe mampirantirany ny loko loranjy. Tsy mifanaraka amin’ny werawera anefa ny vokatra ao anaty vilia ka mahatonga fahatezerana ary mety nahatonga ny fihoaram-pefy toa ireny. Rehefa noana ny vatana dia mivezivezy ny fanahy hoy ny razantsika izay. Ambava omana ampo miheritreritra, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT