Hary Razafindrazaka

«Manameloka ny fisamborana tanora


  • Alakamisy 23 Aprily 2026

aho na miaro fanavaozana tanteraka aza!»

Nolazaina izany fa saika hanongam-panjakana ireo tanora, hoy ny mpikatroka eo anivon’ny antoko politika Leader Fanilo, Hary Razafindrazaka. Tokony aseho angamba ilay porofo toy ny «message» na hafatra ampitain-davitra mba ahafahan’ny vahoaka mandanjalanja, hoy izy. Izaho manokana aloha dia mihevitra fa tsy ahavita hanongana fanjakana izany ireo tanora voampanga. Ary angamba ny maro mety mitovy amiko ihany! Aleo aseho ampahibemaso ny porofo dia samy miheritreritra sy mamakafaka. Mbola tsy tafaverina ny fitokisan’ny vahoaka ny fanjakàna, izay mazàna fijery miaro foana ny fanjakàna amin’ny raharaha toy itony. Lazaina fa manao «mercenariat» na mersenera ireo tanora. Mba hitokisan’ny vahoaka ny tenim-panjakàna dia tsy misy afa-tsy ny fitondràna ny porofo mitohoka amin’ny tenda. Maro ireo olona na eto an-tanindrazana na any ivelany no manameloka ny fisamborana ireo tanora ireo na amin’ny lafiny endrika io na lafiny votoaty ary anisan’izany aho na dia miaro ny fanavaozana tanteraka aza! Manontany tena aho hoe nanao fanambaràna tsy am-piheverana daholo izany ireny fikambanana maro nanameloka ireny raha ny filazan’ny fanjakàna no henoina. Tsara ihany koa ny mihaino ireo mpisolovava an’ireo mety ho voapanga. Ho ela velona ny fanavaozana izay manomboka amin’ny fialana aminy fomba ratsy fanaon’ny teo aloha, hoy hatrany ity oloben’ny Leader Fanilo ity.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT