Politique

Hary Razafindrazaka - Leader Fanilo “Mila fiomanana aman-taonany ny fitondrana firenena”


  • Alatsinainy 31 Jolay 2023

Mahafinaritra ny mahita ny tanora liana amin’ny raharaham-pirenena, hoy ny filohan’ny antoko politika Leader Fanilo teo aloha, Hary Razafindrazaka.

Maha velombolo fa na dia atao hoe solafaka aza ny tolona nitsanganan’ny tena dia mbola ao ireo tanora handray ny fanilo miampita, hoy izy. Maro amin'izy ireo no hitako tena avo lenta eo amin’ny fahalalana. tena mahafinaritra hoy aho ary mahavelom-panantenana. Hafatra kely no ataoko amin'izy ireny. Midira na manangana antoko politika. Ho an’izay mikasa ho kandidà filoham-pirenena dia izao no mba hafatro. Politika ny fitondrana firenena fa tsy tekinika fotsiny. Mila fahalalana lalina an’i Madagasikara sy ny malagasy ny fitondrana ity firenentsika ity. Ireo mpitondra teo aloha dia efa lany izy vao namorona ny antokony ankoatran’ny prezida Tsiranana izay avahako satria tao anatin’ny fanjanahantany izy no filoha ary nitohy izany avy eo. Mipetraka mihitsy ny fanontaniana. Mifandray ve ny “instabilité politique” na tsy fahamarinan-toerana politika misy eto amintsika sy ny hoe tsy nisy nanana antoko politika matotra ireo mpitondra nifanesy ka ny lohandohan'ny mpisorona teo aloha ihany no kaotiny anohanana azy? Tsy misy resaka fotokevitra intsony ny fiandaniana mazàna fa vidiana amin’ny fizarana seza. Raha izahay manokana tao amin'ny Leader Fanilo teo aloha dia tsy nankasitraka ireny kandidà mahaleotena ireny noho ny antony voalaza teo, indrindra moa raha kandida ho filoham-pirenena, izay tokony hanana ambaindainy manerana ny nosy hanohana hatrany am-boalohany fa tsy ho sandaina amin’ny tombotsoa manokana. Hitantsika farany ireny Mapar 1 sy Mapar 2 ireny. Asa hoe nitondra antsika nankaiza? Manosika ny tanora ny zokinjokiny toa anay handray andraikitra fa tsy ho maika loatra dia handingana zana-tohatra. Mila fiomanana aman-taonany ny fitondrana firenena ary mila manana rafitra matanjaka manerana ny nosy raha te hanana fahombiazana, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT