Hary Razafindrazaka

«Inona no antoka hoe tsy ho ratsy noho izy mianaka ianao?»


  • Alatsinainy 19 Aogositra 2024

Ny fanaovana politika dia manomboka amin’ny fandrafetana vina fampandrosoana mampiavaka anao

fa tsy tonga dia hoe avia miaraka amiko fa tsy mila an'izy mianaka intsony isika, hoy ny mpanao politika, mpikamban’ny antoko politika Leader Fanilo, Hary Razafindrazaka. Hiaraka aminao ho aiza moa izany izahay, hoy ny fanontaniany? Inona no antoka hoe tsy ho ratsy noho izy mianaka ianao? Sa hoe minoa fotsiny ihany? Deraina ny fandraisan'ny tanora andraikitra fa misy zana-tohatra tsy maintsy lalovana andrafetanao mazava ny hevitra tianao ho voizina fa tsy mihazakazaka be fahatany ka milaza ianao fa tsy hanao «culte de la personnalité» na hanindraindra olona kanefa ny hetsikao aza nampitondrainao ny anaranao. Ny hetsika toy itony avy amin'ny olo-malaza na ny mpanefoefo no mahatonga ny fanaovana politika lasa tsy misy antony intsony. Hevi-baventy no tokony nanombohanao ny hetsika tianao avoitra. Izany «troisième voie» na hery fahatelo izany tsy vina ahafahana manorina fiarahamonina tsara rindra. Avereno jerena ny kopy fa tsy tara. Mbola malalaka ny sehatra ho any tanora, hoy hatrany ity zokibe teo amin’ny fanaovana politika ity.

J. Mirija


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT