Hary Razafindrazaka

«Antitrateriko ny fanohanako ny kandidà Tahina Razafinjoelina»


  • Alatsinainy 07 Oktobra 2024

Antitrateriko ny fanohanako ny kandidà Tahina Razafinjoelina, hoy ny mpanao politika, Hary Razafindrazaka,

rehefa nihaino azy aho omaly hariva (TTF: ny harivan’ny zoma teo). Teboka miisa 5, hoy izy, no asongadiko tamin'iny fandaharana iny. Ny Vina no aleo ampifaninanana! Aoka izay ny fanompona olona! Nomeny lanja tamin'izany ny maha zava-dehibe ny antoko politika. Etika politika no nandraisako azy rehefa nilaza ireo depiote tsy miankina maro izay tonga dia nanohana avy hatrany ny fitondrana izy. Tsy vinako izaho samy irery no entiko hoy izy fa vinan’ny antoko izay nanolotra ahy. Aman’arivony ny mpiasan'ny CUA. Mila olona manana traikefa amin’ny fitantanana ny ho ben'ny tanàna eto Antananarivo. Mila mahafehy ihany koa ny fitantanam-bola. Aoka tsy ho adino hoy izy fa fahefana mpanantanteraka no fahefan'ny ben'ny tanàna. Ny asa no anisan'ny voalohany maha ory ny mponin'Antananarivo hoy izy. Ho ben'ny tanàna ny asa aho hoy izy. Antananarivo nomerika no anisan’ny vina nentiny. Ny nomerika no anisan'ny ho entiny mametraka fitantanana mangarahara. Ho fantatrao mazava daholo hoy izy ny hetra naloanao ary natao inona. Ny fizarana ny tsena dia ho mangarahara. Iza no nahazo ny tsenan'ny CUA ary ohatrinona. Noresahiny ihany koa ny fampiasana ny nomerika amin’ny ady amin’ny tsy fahandriampahalemana. Olon'ny asa aho hoy izy fa tsy olon'ny fety. Ho ampisehony izany mandritry ny fampielezankevitra. Tsy hanao sinema izahay hoy izy andeha tongotra eny amin’ny faritra iva na hisotro kafe etsy sy eroa kanefa rehefa avy eo tsy hita. Ny asan’ny ben'ny tanàna no ho ampisehoanay mandritry ny propagandy. Notsindriny matetika ny fanabeazana. Vinan'ny antoko noforoniny koa moa ny fanabeazana. Io koa moa no anisan'ny seha-piharian’ny kandida. Ny fanabeazana no fitaovana iray ampiroborobona ny famoron'asa eto Iarivo hoy izy. Ho voakasik’izany ireo mponina maro tsy an'asa toy ny mpivarotra amoron-dalana sy ny sisa mba ahafahan'izy ireo mahita asa manara-dalàna. Tsy fidiny ho azy ireo no mivarotra eny amoron-dalana hoy izy, hoy hatrany i Hary Razafindrazaka.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT