Politique

Hary Naivo Rasamoelina Hiezaka ho tsipi-panohizana ao anaty governemanta


  • Alatsinainy 14 Novambra 2011

Anisan’ireo kandidà ho minisitra natolotry ny «Escopol Nouvelle Coordination» ny filohan’ny antoko DHD Madagascar sy mpikambana eo anivon’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita, Hary Naivo Rasamoelina.

 Nilaza izy fa tsy nisalasala raha nifanarahan’ny mpikambana rehetra hatolotra amin’izany satria mila arofanina ny fanatanterahana ny fametrahana rafitra fitoniana mifandraika amin’ny fifidianana maty paika sy voarindra ato anaty tetezamita. Hiezaka ho tsipi-panohizana amin’izany ny DHD satria karazan’olona maro izao no ao anaty tetezamita ary teren’ny zava-misy isika tsy maintsy hifanaraka. Manao hadisoana lehibe izay manava-tena tsy miaraka amin’izany, hoy izy. Ny ahatongavana amin’ny fifidianana marina dia tsy misy afa-tsy ny paika fironana amin’ny fitaizana ny olona amin’ny fanabeazana olom-pirenena hataon’ny fanjakana. Politika kokoa noho ny teknika no ilaina ao anaty governemanta ary olona tena tomponandraikitra, hoy Atoa Hary Naivo, satria fotokevitra no arahina. Raha tsy tanteraka izany rehetra izany dia tsy misy dikany izao tetezamita izao, hoy ity kandidàn’ny Escopol ity.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT