Feno tanteraka ny voka-pifidianana solombavam-bahoaka natao ny zoma 20 desambra lasa teo tao amin’ny Distrikan’Ambositra, Faritra Amoron’i Mania.
Nomen’ny mpifidy maro an’isa ny fitokisany ka hitondra ny hetahetan’izy ireo eny anivon’ny Parlemanta ny kandida natolotry ny fikambanana Mampiray, Andrianarivo Harimampianina. Araka ny vokatra vonjy maika tsy mbola ôfisialy navoakan’ny vaomiera misahana ny fifidianana na SRMV tao amin’ny Distrika Ambositra dia lasan’ity zana-drahalahin’ny praiminisitra teo aloha Tantely Andrianarivo ity ny vato miisa 14.113 amin’ny vato manan-kery izay manome salan’isa 30,82%. Laharana faharoa nanaraka azy ny kandida natolotry ny Alefa Madagasikara Herizo na Fandrava (mpanao gazety), nahazo vato miisa 6125 manome salan’isa 13,38%. Laharana fahadimy no misy ny kandida natolotry ny MAPAR izay nahazo vato 2768 (6,05%). Andrasana ny fanapahan-kevitry ny CENI-T sy ny CES raha toa ka hahazo ny toerana roa anjaran’Ambositra ny kandida natolotry ny Mampiray araka izao voka-pifidianana tsy mbola ôfisialy izao. Tsy nahazo vato afa-tsy 87 monja ny kandida nitazona ny rambony tao Ambositra.
Rado
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.