Politique

Harivola Raharinosy “Tsy tongatonga foana eto ny filoham-pirenena teo aloha”


  • Alarobia 15 Febroary 2023

Falifaly isika izany izao fa tonga I Hery Rajaonarimampianina, hoy ny mpanao politika sady mpandinika raharaham-pirenena, Harivola Raharinosy.

Nandeha hatramin’izay ny fikaonandoham-pirenena, hoy izy. Teo ny Dakar, ny Maputo. Raha natao tamina toeran-kafa foana izany hatramin’izay dia heveriko fa fotoana izao hijerena ny resaka lalam-pifidianana sy ny fanisana mpifidy araka ny tena tokony ho izy. Tsy tongatonga foana eto amiko ny filoham-pirenena teo aloha. Tsy fantantsika mazava ny tena antony. Mety marina ny hoe isan’ny kandida. Ahoana nefa no hirosoantsika amin’ny fifidianana na nanome daty aza ny CENI satria ny vola aza tsy misy? 20% no ananany. Ny mpamatsy vola mbola tsy nandrotsaka. Ho teren-ko masaka fotsiny ve satria tsy maintsy atao? Efa ho 6 volana izay no nivoizana ny hoe andao hanao latabatra boribory! Manao be marenina ny fitondrana. Voizina matetika koa ny hoe rehefa misy ny latabatra boribory dia misy ny governemantan’ny marimaritra iraisana dia hisy fizarana seza indray. Tsy any angamba izao no zava-dehibe. Any amin’ny resaka fifidianana no tokony handresena lahatra ny mpamatsy vola. Namoaka tombana na “observation” ny vondrona eoropeanina tamin’ny fifidianana 2018 momba io lisi-pifidianana io sy ny fahamarinan-toeran’ilay fifidianana filoham-pirenena. Latabatra boribory hijerena ny lalam-pifidianana izany izao no tokony atao vao miroso amin’ny fifidianana. Atomboy any amin’ny fifidianana filoham-pokontany ny fifidianana dia miakatra miha miakatra. Ny lehiben’ny faritra tokony ho fidiana satria tsy mahagaga raha ahitana tranga tsy mandeha araka ny tokony maro ataon’ireo governora satria tsy anaty lalampanorenana ry zareo. Tokony diovina aloha ny lisi-pifidianana dia iverenana jerena ny lalam-pifidianana. Miverina ho azy ny fitokisan’ny mpamatsy vola rehefa milamina ireo ary tsy aleo ve izay no atao mba hisorohana ny krizy aorian’ny fifidianana, hoy hatrany ny tenany ?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT