Politique

Harivola Raharinosy “Tapero ny fotoam-piasana dia aza milatsaka intsony!”


  • Alatsinainy 31 Oktobra 2022

Nanao taratasy misokatra ho an'ny filohan'ny repoblika omaly ny mpanao politika sady mpandraharaha, Harivola Raharinosy. Andriamatoa Filoha hajaina, hoy izy.

Zandry aho manoratra aminao rehefa naheno ny akon'ny fanoloranao ny PEM. Miala tsiny aminao fa tsy zavatra ohatran’ ireny no iantsoana anao hoe ho "visionnaire". Mifona tompoko raha ny “dessin animé Madagascar” no raisinao ho loharano na “en reference” ho fampandrosoana ny fizahantany eto amintsika. Ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny valanjavaboary izay 80% ahiana ho lany tamingana na “80% d'espèces faunes et flores endémiques”, ny fanabeazana ny malagasy mba tsy hanao tavy, ny famporisihana hanao vaksiny miady amin’ny COVID, ny tsy fandriampahalemana. Izany no zava-misy “réalité” misy eto amintsika. Madagasikara no tian'ny olona ho hita fa tsy zavatra hafa. Aza fafana re tompoko ilay maha izy azy na “identité” antsika. Singa iray io fizahantany io. Zava-dehibe saingy ohatra iray ihany io. Hatreto tompoko dia hita taratra fa tsy voafehinao ny fitantanana ilay firenena raha nampanantena ny vahoaka hampitovy antsika amin’i Rwanda sy ho sangany aty Afrika. Indrisy tompoko fa gidany aty Afrika isika. Ny vidim-piainana efa tsy zaka intsony, ny angovo tsy mandeha amin’izay laoniny, ny fanabeazana mahonena. Mampalahelo ilay vahoaka tompoko fa mizaka ny tsy eran'ny aina. Mbola tsy tara re tompoko! Aoka izay! Raha nisy zavatra nataonay anao dia ifonana aminao. Fa miangavy kosa aho mba hialanao amin’izay. Raha mbola rà malagasy no mikoriana anatinao ao na dia vazaha ara-taratasy aza dia andao amin’izay tompoko. Tapero ny fotoam-piasanao dia aza milatsaka intsony na mitady hevitra hanaovana fe-potoam-piasana indray amin’ny taona 2023, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

Hijery ny tohiny
FTT