Politique

Harivola Raharinosy “Hadisoana goavan’ny fitondrana ny nametraka governora”


  • Alarobia 16 Novambra 2022

Tsy maintsy atao ny fikaonandoham-pirenena, hoy ny mpanao politika sady mpandraharaha, Harivola Raharinosy, satria I Madagasikara aloha dia firenena miankin-doha tanteraka amin’ny mpamatsy vola any ivelany.

80%n’ny vola miditra eto, hoy izy, dia avy any ivelany. Tsy mbola nisy vondrona eoropeanina niteny herintaona alohan’ny fifidianana hoe manaova ianareo fikaonandoham-pirenena fa ny fifidiananareo ny taona 2018 tsy mandeha amin’izay laoniny. Lalam-pifidianana isiana fifidianana mangarahara no jereny ao. Inona moa izany no tsy anaovana an’ilay izy? Satria ve efa mieritreritra halabato? Diso be ilay fieritreretan’ny fitondrana hoe mitady governemanta iaraha-mitantana ireo.Tsy marina izany! Fifidianana izao no resaka ary raha hiresaka fifidianana aza, maninona moa notendrena ireo governora ireo nefa tokony ho fidiana ireo raha ny ao anaty lalampanorenana? Andao ary aloha hanao fifidianana governora alohan’ny fifidianana filoham-pirenena. Ho hitantsika eo hoe ohatran’ny ahoana ny fahitanareo ny vahoaka satria rah any fihoaram-pefin’ireo governora ireo amin’izao dia tena tsy voaisa amin’ny tanana intsony ary tsy 1 na 2 no manao adalana fa saika izy rehetra mihitsy. Isan’andro ianao maheno zava-mamoha henatra na “scandale” foana. Satria ve notendrena ry zareo dia tsy mahafantatra ny maha masina io toerana nametrahana azy io? Satria ve miheritreritra izy hoe voaaro foana dia afaka manao izay tiany atao? Satria ve tsy fantany akory hoe inona no tena iraka ampanaovina azy fa dia hoe apetraka fotsiny izy? Hadisoana goavan’ny fitondrana ny nametraka an’ireo teo, izay tsy mifanaraka amin’ny lalampanorenana akory. Any amin’ny mpanohitra hafa angamba no mety misy mitady seza fa izaho manokana aloha nahita ilay rindran’ny fikaonandoha na TDR avy amin’ny vondrona eoropeanina fa tsy misy resaka governemantan’ny marimaritra iraisana izany ao na ny A aza fa resaka tekinikan’ny fifidianana sy ny mombamomba an’izay. Io izao mitaraina ny mpanisa mpifidy fa manahy hoe tsy ho azony ny karamany. Tsy manam-bola isika no dikan’izany. Ireny distrika notanisaina fa efa nahazo ireny tsy I Madagasikara iray manontolo akory fa rehefa mahay manao “mimi” sy manao sonia any amin’ny olona dia mahaiza koa manatanteraka araka ny tokony ho izy, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

Hijery ny tohiny
FTT