Harilala Ramanantsoa

Niantso fiaraha-miasa tsy an-kanavaka firehana


  • Alakamisy 29 Aogositra 2024

Tontosa omaly tetsy amin’ny lapan’ny tanànan’Analakely ny fandraisan’ny filohan’ny delegasionina

manokan’Antananarivo vaovao, Harilala Ramanantsoa, izay toerana maha PDS azy izay amin’ny fomba ofisialy. Nanazava avy hatrany ny asa ho sahaniny ny PDS vaovao ary nilaza fa ao anatin’izany ny fitantanana ny fampandehanan-draharaha eo anivon’ny tanànan’Antananarivo renivohitra. Eo koa ny fiatrehana ny filàn’ny mponina an-davan’andro toy ny resaka fako, fandriampahalemana, tsena ary ny lalana. Ho hamafisina orina, hoy izy, ny fandriampahalemana. Tafiditra ao anatin’izay ny fanamafisana ny fitandroana filaminana sy ny fanazavana ny tanàna. Eo koa ny fanatsaràna ny fifamoivoizana amin’ny fiaraha-miasa amin’ny polisim-pirenena sy polisy kaominaly. Ny fampiroboroboana ny fanatanjahantena, ny kolontsaina ary ny fampandrosoana ny tanàna amin’ny fampiasana ny tekinolojian’ny fampitam-baovao sy ny fifandraisana ka ampirisihina ireo manan-kevitra ho fanetsiketsehana ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena eto Antananarivo, hoy hatrany izy. Ho fanatsaram-pitantanana dia miara-hiasa amin’ireo tomponandraikitra am-perinasa aho, hoy izy. Manatsara ny kalitaon’ny fanaovan-draharaham-bahoaka amin’ny ambaratonga rehetra. Miantoka ny firotsahan’ny rehetra an-tsehatra sy ny fandraisana anjaran’ireo mpisehatra rehetra amin’ny isan’ambaratonga. Mampihatra fanaraha-maso entitra amin’ny asa rehetra tanterahana. Antony manetsika ahy ny fahatsapako fa manana adidy sy andraikitra amin’ity tanàna mamiko loatra ity aho. Fotoana izao ahafahako maneho ny fitiavako ny tananantsika amin’ireo fandaharan’asa efa nomaniko fony aho kandida ben’ny tanàna. Azoko an-tsaina tsara ny halehiben’ny andraikitra eo an-tsoroko. Amim-panetren-tena no hanatanterahako izany adidy izany. Mikasika ny fifandraisana amin’ny fitondrana ankehitriny dia manohana izay rehetra manam-piniavana hampandroso sy hanatsara ny fahatsaram-piainan’ny mponina aho, na avy amin’ny firehana inona na inona. Tsy ho vitako irery tokoa mantsy ny fanasoavana ny tanàna sy ny mponin’Antananarivo, hoy hatrany i Harilala Ramanantsoa niantso fiaraha-miasa tsy an-kanavaka firehana.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT