Fitondrana ny tohin’ny Kaominina ! »
Hiatrika aho satria efa miainga any ny « perquisition » hatao any an-tranoko, ka dia apetrako tanteraka amin’ny fahendren’izay manana ny fahefana eto amin’ny tany sy ny Firenena ny tohin’ny kaominina Antananarivo sy ny ben’ny tanànan’Antananarivo, hoy i Harilala Ramanantsoa omaly tetsy Anosy noho ny fitorian’ny kandida Tojo Ravalomanana azy. Karazan’ny efa mieritreritra ny ho resy ve izy amin’ny lafiny iray ? Mitambesatra amin’ity ben’ny tanàna lany tamin’ny anaran’ny volomboasary ity izany ny raharaha ara-pitsarana samihafa satria mbola mandindona azy ny raharaha SMGD. Karazan’ny tavela irery satria tsy hita popoka ireo oloben’ny fitondrana Rajoelina izay niaro azy. « Ben’ny tanànan’Antananarivo aho, ary ny fijoroako eto anoloan’ny fitsarana dia fijoroako sy finoako fa ny fitsarana dia hanao araka ny tokony ho izy, ary ny fitondram-panjakana izay mijoro dia mijoro amin’ny fahamarinana, ka tsy ny politika no hitondrana ny raharaha fa ny fahamarinana », hoy indray izy avy eo. Safidin’ny olona nifidy ahy sy ny nifidy ny kandida nifaninana tamiko no tsaraina. 30% amin’ny mponina eto Antananarivo no nifidy, manana ny feony ireo tsy maneho hevitra, ary tsy miditra amin’ny resaka politika. Mijoro ny tenako amin’ny maha ben’ny tanàna voafidy ahy teto Antananarivo, manao antso avo hoe : aleo handeha ny ara-drariny. Manao antso avo aho, aleo andeha amin’ny fahendrena, tsy mendrika ny kaominina Antananarivo ny korontana na ady ady politika raha izany no atao. Mikasika ny raharaha SMGD, fahafahana vonjimaika no azony teny amin’ny PAC tamin’ny zoma. « Tsy niteny sy tsy nanao fandisoana ny tenako, omaly maraina indray dia namoaka didy fa anaty fanaraha-mason’ny Fitsarana aho », hoy i Harilala Ramanantsoa. Mbola baraingo izany aloha amin’ny lafiny iray ny tohiny hoe : hanao ahoana no hiafaran’ity ben’ny tanàna ity ? Misy dikany sy antony goavana ara-politika ve ny fihaonany tamin’ny Filohan’ny Antenimierampirenena Siteny Randrianasoloniaiko andro vitsy lasa ? Hanao ahoana ny didim-pitsarana : handresy i Tojo Ravalomanana dia hiongana i Harilala Ramanantsoa ? Tsy hahefa ny Fitsarana ? Haverina ny fifidianana ? PDS no hapetraka ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.