Manana harena kolokoloina ho soa izay tompony, hoy i Hanta Ramakavelo, zanaky ny minisitra teo aloha,
ny Jeneraly Désiré Ramakavelo. Ny olombelona rehetra dia samy manana harena avokoa dia ny aina atolotra azy, hoy izy. Ny tena no harena voalohany sy sarobidy indrindra. Hafatra mafonja ao anatin’ny hiram-pirenena malagasy izany. Tsara ho fomba fisainana sy fomba fiainana raiki-tampisaka amin’ny malagasy rehetra na firy taona na firy taona, na inona na inona sarangany. Ny olona miaina izany dia manaja ny tenany sady manaja ny hafa. Raikitra no fototry ny teny hoe andraikitra. Tsy azo ialàna fa adidy. Samy tompon’ny tenany dia samy tomponandraikitry ny tenany. Samy mikolokolo ny tenany ho soa. Samy omen’ilay mpahary tombon’andro dia mitombo amin’ny fahalalana sy fahendrena, mampitombo talenta sy izay rehetra am-pelantanana. Tsy mahatsapa ho ory intsony satria manana. Miroso amin’ny fihariana. Mikaly am-pifaliana izay an-tanana hanasoavana ny fiarahamonina. Tarafina sy tahafina ao an-tokantrano ny fiteny sy fihetsiky ny ray aman-dreny. Izy ireo no tomponandraikitra miara-mitondra ny tokantrano. Samy mikolo ny fananana iombonana sy manatsara izany mandrakariva. Zarina mirotsaka an-tsehatra ny zanaka satria ampitaina aminy ny maha zava-dehibe ny manaja ka mikolo izay ananana mba hampitombo sy hampiroborobo izany. Vatsiana kolontsaina mandray andraikitra isan’ambaratonga ny mpianatra any an-tsekoly satria ny mpampianatra sy mpitantana ny toeram-pianarana dia samy mampita hafatra manandratra. Boky voalohany vakian’ny ankizy, zatovo sy tanora, ny zoky sy olon-dehibe rehetra manodidina azy, ireo no itaràfany izany olona manana hasina sy manana ny hanitra maha izy azy izany. Ao amin’ny orinasa dia samy tomponandraikitra feno amin’ny asa atolony ny tsirairay satria miray vina dia miray hina. Samy manolotra ny tsara indrindra amin’ny anjara biriky entiny. Misy bikany isan’andro ny dikan’ny hiram-pirenena manao hoe «Ry tanindrazanay malala o, irinay mba hanompoana anao. Ny tena sy fo anananay izay sarobidy sy mendrika tokoa.». Ny sehatry ny fihariana sy fandraharahana dia sehatra sarobidy sy mendrika hanehoana fanasoavana ny hafa. Atolotra anaty fahamarinana izay atao. Tsy misy fitaka, tsy misy lainga, tsy misy halatra. Safidy isan’andro izany satria miorim-paka marina amin’ny hiram-pirenena andininy fahatelo hoe «ilay nahary izao tontolo izao no fototra ijoroan’ny satanao.». Ny sata dia soatoavina. Amin’ny fomba soa no hanatanterahana ny vina rehetra. Samy tomponandraikitra, araka izany, ny olompirenena rehetra manana karapanondro. Misy ny petatondron’ny tsirairay ny fiainam-pirenena. Fihavanana midika mifandray am-pitiavana. Kolontsaina fototra mampandroso antsika malagasy izany. Ny bikany dia mifanaja, mifampihaino, mifampahery. Ny hevitra maro mahataka-davitra. Fananana iombonana ny tany, ny rano, ny rivotra, ny zavaboary rehetra. Safidy ny miaina izany marina sady azo atao isan’andro. Fomba fisainana, fomba fiainana. Izay ilay teny malagasy iainana, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.