Hankalaza ny faha-22 taonany ny TIM

Hanome toromarika politika, handray ireo depiote vaovao


  • Alakamisy 04 Jolay 2024

Mankalaza ny faha-22 taonany ny Antoko Tiako i Madagasikara na ny TIM izay naorin’ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana.

Niainga tany amin’ny Tiako Iarivo fony izy nirotsaka ho ben’ny tanàna teto Antananarivo, nivadika ho Tiako i Madagasikara rehefa nirotsaka ho kandida Filoham-pirenena, ka nitondrany nandritra ny 7 satria tratry ny fanonganam-panjakana ny taona 2009. Sesin-tany 5 taona i Marc Ravalomanana, saingy niatrika hatrany ny raharaham-pirenena ity antoko ity, ka anisan’izany ny nahalanian-dRtoa Lalao Ravalomanana ho ben’ny tanàna teto Antananarivo ny taona 2014, raha toa kandida filoham-pirenena i Marc Ravalomanana ny taona 2018 sy 2023. Hisy ny lanonam-pankalazana izany amin’ny fomba ofisialy ny sabotsy 06 jolay izao manomboka amin’ny 10 ora maraina etsy amin’ny Magro Tanjombato, ka hanasan’ireo mpitarika ny rehetra. « Marihina ao anatin’ny fahamendrehana sy fahatsorana izany, ary hanasana ny rehetra amin’ny sabotsy izao manomboka amin’ny 10 ora maraina. Fanamafisana orina ny maha mpikambana sy ny fisiana tao anatin’ny fotoana naharitra, nandia lalan-tsarotra toy ny tamin’ny 2009 kanefa nijoro foana, teo foana ny rehetra nifanohana amin’ny maha mpikambana. Ilay fahatsapana ny fisiana sy ny etika politika niarana tao anatiny no mbola mampijoro ny antoko », hoy ny depiote Hanitra Razafimanantsoa, nandritra ny fampahafantarana nataon’ireo depiote TIM sasany omaly. Niantso ny rehetra hiomana sy ho tonga hiara-hankalaza izany izy ireo. Fotoana handraisana toromarika momba ny raharaham-pirenena sy hiarahabana ireo solombavambahoaka lany tamin’ny anaran’ny Vondrona Firaisankina ihany koa io raha ny fanamarihana. Fiarahabana nahavita soa ny fifidianana na teo aza ireo resy ary betsaka ny tsy fahafaham-po, raha ny fazanazavana. Tsy ny TIM ihany no hasaina fa ireo resy lahatra amin’ny foto-kevitra, ireo niara-dia tao anatin’ny Firaisankina.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT