Politique

Hanitra Razafimanantsoa «Tsy teo amin’ny fitondrana aza izy efa nanafatra fitaovam-piadiana»


  • Alatsinainy 08 Mey 2023

Tsy hitondra antsika any amin’ny fitoniana ity fifidianana ity. Hatramin’ireo diaspora izay manana hevitra tsara koa, hoy ny solombavambahoaka, Hanitra Razafimanantsoa, ahenoantsiaka izany.

Ity fifidianana ity anie hitondra antsika any amin’ny hamerenana an’i Andry Rajoelina eo amin’io fitondrana io indray, hoy izy. Aza diso eritreritra ianareo! Tsy hisy handresy afa-tsy Andry Rajoelina eo noho ireto antony maro samihafa ireto hoe izy manana ny fahefana, manana ny basy, tsy teo amin’ny fitondrana aza izy efa nanafatra ireny fitaovam-piadiana mahery vaika ireny. Efa te handatsa-dra olona malagasy, efa nampihorohoro, nangalatra ka maika fa eo amin’io toerany io? Isan’ny mampiasa ny sain’ny olona izany rehetra izany. Be dia be ny hevitra mandeha any ary isan’izany ny resaka fametrahana governemantan’ny fampiraisam-pirenena ho an’ny fifidianana hoe mila manova ny rafi-pifidianana mihitsy aloha ny malagasy. Ovaina hatramin’ny lisi-pifidianana. Olona tena tsy mitanila ary misy fomba hahafahana miditra amin’izany. Hevitra mandeha daholo izany ary mizotra any amin’izay lalana izay isika izao. Mila miheritreritra an’izany fa tsy ny maha maika dia hoe andao hanao governemantan’ny fampiraisam-pirenena dia hifampizara seza dia samy miara-mihinana eo fotsiny aloha dia mizara seza ohatran’ny tamin’ny tetezamita teo hoe ny 4 omena an’i Rakoto na Rabe dia samy miketriketrika izay hanaovana lisi-pifidianana mampetipety azy eo. Dia samy mikendry izay hahalany ny azy sy mifandrirondrirotra eo dia izay lany eo lany hamotika firenena toy ny ataon’ny fitondram-panjakana amin’izao fotoana izao. Tsy mila izany intsony ny firenena. Mila heritreretina hoe ahoana tokoa moa izany no hanofana ny rafi-pifidianana sy lisi-pifidianana? Ahoana no tsy hisian’izany CENI sy HCC izany intsony? Tsy vita 1 na 2 volana izany. Ny vola aza tsy misy ao anaty kitapom-bolam-panjakana. Mikatso ny raharaham-pirenena amintsika miteny izao, hoy hatrany izy.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT