Politique

Hanitra Razafimanantsoa “Ny vahoaka no mibaiko anay”


  • Zoma 27 Aprily 2018

Nanizingizina ny solombavambahoaka Hanitra Razafimanantsoa araka ny resaka fohy nifanaovana taminy omaly hariva fa tsy hiresaka amin’ny HVM intsony rehefa avy nihaino ny fitakian’ny vahoaka, izay nambarany fa “Patron” an’ny solombavambahoaka.

 
Raha resaka fanelanelanan’ny SADC indray dia mazava ny teniny far aha mbola i Joachim Chissano no alefa eto Madagasikara dia tsy hahavaha olana izany satria izy no anisan’ny fototry ny “ni..ni” tamin’ny 2013 , izay midika fa anisan’ny tompon’andraikitra nahalany an’i Hery Rajaonarimampianina.Maro ireo ho avy hanatevin-daharana ny hetsika eny amin’ny 1 mey anio zoma rah any resaky ny depiote Hanitra Razafimanantsoa satria andrasana eny anio ireo sendika rehetra eto amin’ny firenena, ho avy ihany koa ny mpiasan’ny ladoany na dia eo aza ny fandrahonana nataon’ny lehiben’izy ireo; hihamaro hatrany ihany koa ny olom-pirenena tsotra ho tonga eny , hoy hatrany ny fanazavana.Nanatitra fitoriana mahakasika ilay fitifirana sy famonoana vahoaka teny amin’ny fitsarana Anosy moa omaly ireo mpanao fihetsiketsehana.

Mihetsika ny faritra

Tetsy ankilan’izay nafana omaly ny hetsika tany amin’ny faritra ka teo anolonan’ny Tsangambaton’ny fahaleovantena ho an’ny tany Antsirabe ny ka solobambavam-bahoaka 10 mianadahy, notarihin’i Depiote Michel avy ao Antsirabe voalohany sy Randrianantenaina José avy ao Antsirabe faharoa no nitarika ny hetsika. Nohazavaina ilay lalam-pifidianana sy ny lalàna ho an’ny fananan-tany izay efa nampoizina fa hiteraka korontana. Nirantiranty ny sora-baventy isan-karazany mitaky ny fialan’ny filoham-pirenena sy ny manodidina azy, ny resaka tsy fandriampahalemana, fa isan’ny nisongadina ny fitakiana ny fialan’ny Prefen’Antsirabe sy ny Ben’ny tanana noho ny tsy fandrosoana misy ao Antsirabe ary ilay fanakatonana orinasa nataon’ny Prefektiora. Eo ihany koa ny fanokafana ny MBS sy ny AAA-Tiko. Ho an’ny tao Ambatondraka kosa, dia natao teo amin'ny Stade Centrale ny hetsika nifototra tamin’ny tatitra nataon'ireo Komity mpiara-dia amin'ireo depiote 73, izay mitaky ny fialàn'ny Filoha Hery Rajaonarimampianina. Teo  ihany koa ny fitakiana ara-tsosialy, toy ny resaka tsy fandriampahalemana, sosialim-bahoaka mikorosy fahana, fampanantenana poakaty amin’ny fanamboarana ny RN 44; nanamafy ihany koa ireo mpandraharaha any amin’ny faritr’Alaotra fa tsy handoa hetra intsony raha mbola io fanjakana mpampahory vahoaka io ihany no mitantana eto.


RTT sy Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT