Hangotraka ity herinandro ity

Hihetsika ny mpanohitra, miantrana ny mpitondra…


  • Alatsinainy 11 Desambra 2023

Hafampana ity herinandro ity ho an’ny lafiny politika, raha tarafina amin’ny fihetsiky ny mpitondra

Fanjakana sy ny avy amin’ny fanoherana ny faran’ny herinandro teo. Ny sabotsy ho avy izao izany hoe : amin’ny faran’ny herinandro no voafaritra hanaovana ny fihanianan’Atoa Andry Rajoelina, izay nambaran’ny HCC fa lany ho Filoham-pirenena. Andaniny, raha somary tsy dia re feo ireo Firaisankinan’ny kandida, dia nilaza fa manohitra ny fanaovana fihanianana amin’ny 16 novambra. « Tsipahinay marindrano ny fihanianana ho Filoham-pirenena izay kasain'Andriamatoa Andry Rajoelina hatao ny 16 desambra 2023 ho avy izao, izay mbola fanitsakitsahana ny fiandrianam-pirenena ihany koa. Mitohy ny tolona ary ambara fa mitsangana ny « Cellule de crise » izay iarahan'ny Vondron'ny Kandida, ny antoko sy vondrona politika,ny olom-boafidy, ny fiarahamonim-pirenena, ny fikambanana isan-karaozany ary ireo Raiamandreny ara-drazana, izay hamaritra sy handrindra ireo hetsika rehetra hatao maneran an'i Madagasikara manomboka amin'ny herinandro ambony izao », hoy ny Firaisankinan’ny kandida ny faran’ny herinandro teo. Izy ireo izay naneho, fa manameloka tanteraka ny ramatahora atao amin'ireo rehetra milaza ny heviny toy ny mpanao gazety, mpanao politika, sendika, olon-tsotra,… izay manitsakitsaka tanteraka ny fahalalahana maneho hevitra sy fahalalahana amin'ny asa fanaovan-gazety. Nambara ihany koa, fa mampiseho fa tsy milamina intsony ihany koa ny raharaha anatin'ny foloalindahy rehefa tarafina amin’ny fampiantsoana sy famotorana nisesisesy noho ny ahiahy amin'ny fisian'ny fikomian'ireo miaramila. Ankilany, ny eo anivon’ny fahefana kosa dia namoaka fampitandremana mafy, ary milaza fa handraisana fepetra hentitra ny ambara fa fanakorontanana, ka tokony hanaraka ny lamina ny rehetra ary tsy hanaiky fanakorontanana. Hamafisina ny fanetsehana mpitandro filaminana hoenti-mifehy ny mety ho hetsika ara-politika amin’ity herinandro ity mba hanehoan’ny mpitondra amin’ny mpitazana avy any ivelany fa milamina ny toe-draharaha. Karazan’ny nanao fampitandremana ny Jeneraly Ravalomanana izay Filoham-panjakana mpisolo toerana amin’ny mety ho fisamborana, fa tsy hiaro izay voasambotra eo ireo mpanao politika ary tsy hahavonjy ny ambarany fa mety ho fanomezam-bola 20 000Ar na 100000Ar aza.
SARINTSARIM-PITONIANA
Hiantrana am-bava basy ny mpitondra, ary manomana ny paikadiny hiatrehana ny fanoherana kosa ny mpanohitra, rehefa zohiana ny zava-misy. Misy ny fanasana olona avy any ivelany, toy ny Filoham-panjakana vahiny izay ataon’ny Fitondrana, ka ezahina haseho fa nilamina ny fifidianana, milamina ny firenena,… saingy amin’ny alalan’ny basy aman-tafondro, ny fampitahorana, ny fisamborana, fanagadrana aloha no mety hisehoan’io. Midika izany rehetra izany fa sarintsarim-pilaminana, sarintsarim-pahamarinan-toerana,… no mitranga eto. Manambana handray fepetra hentitra ny mpitondra kanefa ny mpanohitra milaza fa hanerana ny Nosy ny hetsika. Hanao ahoana ny ho fisehony sy ny fifehezana izany ? Ho henjakenjana ny miandry ny mpitondra aoriana kely. Hanokatra governemanta amin’ny fanoherana ve hanarenana ny tsy fahamarinan-toerana ? Hiditra amin’izany ve ny mpanohitra ? Inona no hitranga amin’ity herinandro ity ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

Hijery ny tohiny
FTT