Hamafisin’ny PM

fa haverina ny tan-dalàna


  • Zoma 19 Desambra 2025

100 ny « audits » efa natomboka! Apetraka ny toekarena tena Malagasy !»

Nahitsy ny Praiminisitra Herintsalama Rajaonarivelo omaly teo anoloan’ny Antenimierampirenena, fa tompon’andraikitra daholo ny rehetra amin’ny fampandrosoana ny firenena, na andaniny fahefana mpanao lalàna sy mpanara-maso ary ny ao amin’ny governemanta fahefana mpanatanteraka. « Lova sarotra no noraisinay, tena mila asa maika ny rehetra. « Gouvernement de combat » ity, tsy mijery tavan’olona, tsy mijery fihaviana. Tena samy maika ny asa. Mitovy aby isika aby, iray ihany ka andao hifanome tanana », hoy hatrany ny tenany. Nanamafy ny tanjona lehibe dia ny hametraka tontolo milamina, hanorina ilay tena rafitra toekarena Malagasy eran’i Madagasikara. Mitady ny anjara masoandron’ny Malagasy satria ny Malagasy mahay. Haverina ny hasin’ny tanin’i Madagasikara, ny hasin’ny mpandraharaha Malagasy sy ireo tanora te handraharaha sy hanao zavatra. Atsangana ny FNDI (Fond National pour le Développement de l’Industrialisation) mba hiditra amin’ny sehatra ara-dalàna sy hamorona asa, ary handoa hetra ireo orinasa faran’izay madinika, madinika, salantsalany,…Tatitra nataony mikasika ny fametrahana ny Fanjakana tan-dalàna sy tsara tantana kosa ny fanombohana fitsirihana na « audits» izay efa amin’izao 100 no ataon’ny IGE (Inspection Générale de l’Etat) sy ny « cour des comptes. Ny 28 oktobra 2025 no nanomboka niasa ny governemanta ka anisan’ny asa voalohany izany. Tsy mora ny asa satria tsy ampy 20 akory ireo « inspecteurs d’état » tena am-perinasa eto , hoy izy. Fanadihadiana momba ny fitantanana eny amin’ireo sampan-draharaham-panjakana isan-karazany no atao hoe mety ve sa misy zavatra ahiahiana ao. Ankoatra izay, nomarihiny fa teny ierana ny ny fitantanana ny Firenena. « Raha nisy sehatra nanana olana, tahaka ny lodisia ohatra dia nivory ianareo, nandefa zavatra taty amiko, tsy nisy nokitihiko na faingo iray aza. Izay hevitra tapakareo, hitanareo fa ahatsara io sehatra io no tanterahantsika. », hoy ny tenany nandray ohatra Aleo isika, hoy izy, miasa fa tsy mandany andro amin’ny fanakianana be fahatany. Izaho dia olon’ny fifampiresahana aza mifamango ambadika any fa atao « direct » amiko ny resaka.", hoy hatrany ny PM Herintsalama Rajaonarivelo. Nahitsy ihany koa ny tenany fa tena maro ny resaka amin’ny tambazotra sosialy, izay ny facebook moa no tena malaza eto Madagasikara. Mifangaro ao ny zava-drehetra, ary tato ho ato izay dia maro ny vaovao tsy marina na tsaho miely ao. Tsotra ny teniny : « Tsy misy anjely latsaka an-tany tompoko fa raha zavatra faran’ny kely hita ao no roritina dia mety mahavita lahatsoratra mandritra ny 3 volana angamba ». Tokony mba samy mandinin-tena sy mijery fitsarana ny tsirairay, hoy izy hoe : mety ve ny ataoko. Ho anay mitantana governemanta anefa dia tsy « factuel » izahay fa kosa paikady no jerenay , paikady fohy ezaka sy antenantenan’ezaka hitondra antsika any amin’ilay tena fanavaozana tena izy. Tsy manorina fa manarina satria firenena marofy no noraisinay, hoy ny PM Herintsalama Rajaonarivelo tamim-pahintsiana.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • POLITIKA sy RAHARAHAM-PIRENENA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Mila mailo ihany ny tanora

  • RAHARAHAM-PIRENENA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Tsy nanao amboletra naka Fitondrana

  • KOLONELY PATRICK
  • Zoma 17 Aprily 2026

Naiditra am-ponja vonjimaika eny Tsiafahy

  • Antananarivo Renivohitra
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Nomena ny TIM ny fitantanana

  • Kolonely RANDRIANIRINA MICHAEL
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Indroa saika hisy hamono

  • FIKAONANDOHA, FANAVAOZANA
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila mafy amin’ny serasera ny fanjakana

Hijery ny tohiny
FTT