HALA-BATO TAMIN’NY FIFIDIANANA

Maro be ireo tranga mampiahiahy, hapetraka tsy ho ela ny fitoriana


  • Talata 17 Desambra 2024

Tsy ampy ny miteny fotsiny sy mimenomenona fa tsy maintsy arahana taratasy sy porofo ny filazana

fa nisy ny tranga mampiahihahy amin’ny fisian’ny hosoka sy hala-bato tamin’ny fifidianana ben’ny tanàna sy mpanolotsain’ny tanana ny 11 desambra 2024 lasa teo. Nanara-maso akaiky ny zava-mitranga mialoha, mandritra ary taorian’ny fifidianana ny ekipan’ny Tia Tanindrazana izay nanolotra any kandida Tahina Razafinjoelina. Nisy tokoa ny tranga mampiahiahy, voamarik’ireo delege tany amin’ny biraom-pifidianana sy tsikaritr’ireo mpanara-maso manokana teny anivon’ny fiarahamonina teny. Misy santionany ho tanisaina ireto : Ordonnance feno sampona , anarana hafahafa, lazaina fa tsy misy ray, tsy misy reny. Vehivavy iray manan-janaka mitovy anarana miisa 16, eny 30 aza. Olona sady manana kara-pifidianana no mbola mitondra ordonnance.Mpifidy mitondra kara-pifidianana sy karapanondro. Anarana samy hafa anefa no voasoratra ao amin'ireo. Olona mifidy any amin'ny toerana tsy misy ny toeram-ponenany ara-dalàna. Olona notaterina tamin'ny fiara ka nifidy tamina birao fandatsaham-bato maromaro. Olona tratra nitondra bulletin pre-coché maromaro. Tsy fisian’ny taratasy mirakitra ny fanisana ny vatom-pifidianana narotsaka tao anaty urne na « feuille de dépouillement ».Tsy mitovy ny isan’ny vato voasoratra ao amin’ny fitananana an-tsoratra na PV sy ny misoratra ao amin’ny « feuille de dépouillement ».Taratasy fitanana an-tsoratra mitakosona sy soratra tsy hay vakiana.Tsy voasoratra mazava eny amin’ny solaitra be ho hitan’ny rehetra ny daty sy ora marina nanombohana sy nifaranan’ny fandrotsaham-bato. Efa andro vitsy izao no nandrafetan’ny ekipan’ny Tia Tanindrazana ireo antontan-taratasy mifandraika amin’ny ahiahina hosoka sy halabato ary ho apetraka tsy ho ela eny amin’ny tompon’andraikitra manana ny fahefana araka ny tondroin’ny lal na izany. Mba ahafahana manao fanadihadiana lalina sy mampihatra ny lalàna amin’ireo izay meloka sy nanao ny tsy nety ka namadika ,nandiso na nanova ny safidim-bahoaka.
RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT