Politique

Hala-bato –Fifidianana loholona Ataon’ny HVM fitaovana ny fitsarana ?


  • Zoma 11 Desambra 2015

« Tanjonay ny hahatafiditra loholona betsaka indrindra ary hanana ny maro an’isa ao amin’ny antenimierandoholona ». Izay no fanambaran’ny filohan’ny antoko HVM Rivo Rakotovao raha vao raikitra fa atao ny fifidianana.

 

Tsapa ankehitriny amin’ny zava-mitranga any amin’ny faritra maro fa misy ny paikady hafahafa ampiasaina mba hahazoana io maro an’isa io.

Hala-bato vaovao

Laharana voalohany ny HVM raha ny isan’ny ben’ny tanàna sy ny mpanolotsaina no raisina, faharoa ny TIM ary fahatelo ny Mapar. Ny zava-mitranga tato ho ato izay dia miakatra eny amin’ny fitsarana mpandrava didy ny didim-pitsarana momba ny voka-pifidianana, ka lasa resy ary voaongotra amin’ny toerany ireo ben’ny tanàna TIM na Mapar na avy amin’ny antoko hafa dia miakatra ho azy ny HVM. Nisy izany tany amin’ny faritr’i Vakinankaratra, Anosy. Re koa izao fa ben’ny tanàna TIM dimy amin’ny distrikan’i Miandrivazo no handalo fitsarana anio, ary tombanana fa ho resy koa ireo ary hongotana amin’ny toerany ka tsy ho ben’ny tanàna intsony. Tsotra ny paikady eto : rehefa tsy ben’ny tanàna intsony ny olona iray sy ireo mpanolotsaina iray lisitra aminy dia efa tsy anisan’ny mpifidy lehibe ka mahazo aina ilay lasa ben’ny tanàna sy ny ekipany. Lasa fitaovana ampiasaina hanilihana ny mpifaninana amin’ny tena sy hangalaram-bato izany eto ny fitsarana. Tsy atao mahagaga avy eo raha tsy ho lany izay kandida loholona atolotry ny TIM na ny antoko politika hafa satria vitsy na mety tsy hisy mihitsy aza  ny mpifidy lehibe handrotsa-bato ho azy ireo. Mbola mety manampy an’izany ny fandrahonana sy fanerena handrotsa-bato ho an’ireo loholona HVM, mora rahateo ny hanara-maso ny isam-bato satria isaky ny kaominina ny birao fandatsaham-bato. Io ilay kajikajy politika maloto, hala-bato amin’ny endriny vaovao mba hahatonga ny ao amin’ny antenimierandoholona ho loko iray ka hanaiky be fahatany izay fanapahan-kevitra rehetra raisin’ny fahefana mpanatanteraka. Azo ambara ho fihemoran’ny demokrasia izany ary tsy maintsy hiteraka olana politika vaovao eto indray no sady hampihemotra ny mpamatsy vola ihany koa. Fehiny dia tsy misy fanarenana firenena azo antenaina izany amin’izao fitondran’ny HVM izao satria tia fahefana sy tendan-kanina loatra ity antokon’ny fitondrana ity ka mampiasa ny fahefam-panjakana hanilikilihana ny hafa.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT